Madajazzcar Festival : Nosantarin’ny « Tremplin Madajazzcar » ny hetsika

Ho tsara ny tolotra. Hisy ny fivelarana. Hisongadina ny fiaraha-miaina sy fifanajana anaty fahasamihafana. Fanambin’ireo mpikarakara ny « Madajazzcar Festival » ireo. Nisantatra izany ny « Tremplin Madajazzcar », notanterahina omaly.

Tafiditra ao anatin’ny an­diany faha-36 ny “Mada­jazzcar Festival”. Iray amin’ireo mampiavaka azy ity ny fisian’ny fisokafana lehibe amin’ny fanatanterahana ny fandaharam-potoana. Anisan’ ireny ny « Tremplin Mada­jazz­car » na ilay fiofanana momba ny fitendrena ny jazz, izay faranana amin’ny fifaninanana lehibe eto an-dRenivohitra.
Omaly no nisantarana izany, tao amin’ny Skate Park Antanimena. Ankoatra ny fa­halalana nampitaina, nomena lanja hatrany ilay lohahevitra: « Mitendry ny marina sy ny mirindra ». I Joro Rakotoza­fiarison, Vatsiahy Ravaloson, Tahina Vibe Ramahefason ary i Seta Ramaroson, samy andrarezin’ny filalaovana jazz, no hitondra ny fampianarana sy ny fiofanana hatramin’ny 19 septambra izao.
Hanomboka rahampitso kosa ny « Tremplin Madajazz­car », any Antsirabe. Ireo mpam­pianatra manana traikefa matanjaka no hitondra sy hampita ny fahalalany amin’izany. Ahitana an’i Josia Ken­nedy (bassline – groove », i Finoana Aina (rythme – phrasé), ary i Kevin Mirija (ochestration – Arrangement), Jaquis Ralph (harmonisation – improvisation). Marihina fa tsy hifarana ity fiofanana ao amin’ny Lovasoa 4C ity raha tsy any amin’ny 24 septambra any. Hisy ny fifaninanana isaky ny tanàn-dehibe (Antananarivo, Antsirabe, Fianarantsoa, Toa­masina) hanatontosana ny « Tremplin Madajazzcar ». Hia­tri­ka ny famaranana eto Antananarivo izy ireo avy eo. Anisan’ny loka ho azo amin’izany ny fandraisana anjara amin’ny seho lehibe famaranana. Ny fandraisam-peo any amin’ny « studio ». Fitetezam-paritra, fiofanana fanohanana teknika.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: