Rasoamaromaka Hery : «Tokony hatao laharam-pahamehana ny fiainam-bahoaka»

Nanao valandresaka ho an’ny mpanao gazety ny Governoran’ny faritra Analamanga, Rasoamaromaka Hery, omaly, tetsy Ambohidahy. «Ny fitadiavana vahaolana ho an’ny firenena ihany izao no tokony hatao laharam-pahamehana», hoy izy

Nambaran’ny governo­ran’ny faritra Anala­manga, omaly, tetsy amin’ny biraony, Ambohidahy, fa tsy tokony hatao adihevitra amin’izao fotoana izao ny mety hisian’ny taom-piasana fahatelo ho an’ny filoham-pirenena, Rajoelina Andry. «Ho anay manokana, tsy ny resaka mandat fahatelo no atao adihevitra amin’izao fotoana izao fa ny tokony himasoana sy hitadiavana vahaolana dia ny hampilamina ny fiainam-bahoaka», hoy ny governora misahana ny faritra Anala­manga, sady sekretera nasionalin’ny antoko TGV. Anisan’ ny hitadiavana vahaolana ankehitriny ny resaka fahatapahan-jiro, ny rano, ny fianarana, ny fahasalamana, ny tontolon’ny asa, ny lalana ary ny fari-piainan’ny vahoaka…
Nomarihiny hatrany fa efa miezaka manatanteraka sy hita taratra eny rehetra eny ny zavatra ataon’ny filoha. Manaporofo izany, hoy izy, ny fanamboarana ny sekoly, ny teleferika, ny kianja manara-penitra,…

Tsy liana korontana intsony…
Nohamafisiny hatrany fa tsy liana amin’ny resaka ko­rontana intsony ny Malagasy ary tsy vahaolana izany.

«Betsaka ny zava-mi­tranga amin’ny resaka politika. Tsy laharam-pahamehana amin’ny Malagasy intsony ny handeha hanakorontana. Fa raha manana vahaolana isika, aleo izay no haroso», hoy hatrany izy. No­tsiahiviny fa ny asa sy ny zavatra atao ho an’ny firenena ihany no hi­tsarana ny mpitondra.

Fitia Randria

Partager sur: