“Tanjona ny fametrahana sekoly momba ny fitantanana fifidianana”, hoy ny fanazavan’ny sekretera jeneralin’ny Vaomieran’ny ranomasimbe Indianina (COI), Razafindravahy Edgard, tamin’ny mpanao gazety teny amin’ny Enam, Androhibe, omaly, momba ny atrikasa fampiofanana ireo mpiantsehatra amin’ny fifidianana. Mifanindran-dalana rahateo amin’ny 15 septambra, Andron’ny demokrasia, izany. Mandray anjara amin’ izany ny solontena avy amin’ ny andrimpanjakana, ny antoko politika, ny fiarahamonina sivily, ny Ceni… Am-polony ny fandaharanasa eo anivon’ny COI. Anisan’izany izao fiofanana izao, ao anatin’ny tetikasa Fitantanana – Fandriampahalemana – Fahamarinan-toerana na ny “Gouvernance – Paix – Stabilité” (GPS), izay vatsian’ny Angence française de developpement (AFD) vola.
Fanamafisana ny fahaiza-manao sy ny fifanakalozana traikefa no atao, araka ny fanazavan’ny Ny filohan’ny Ceni, Andrianarisedo Dama Arsène. Dingana voalohany izao, amin’ ity herinandro ity. Amin’ny taona 2026, ny dingana faharoa. Vokatra andrasana ny hitovian’ny fomba fijery amin’ ny famaritana ny foto-kevitra amin’ny fifidianana na izay hevitra mety mampihazohazo… Nohamafisiny fa tanjona ny fametrahana ny sekoly momba ny fitantanana fifidianana, izay tsy mbola misy aty amin’ny faritry ny ranomasimbe Indianina. Hahazoana manamafy sy manatevina ny fahaiza-manaon’ireo mpiandraikitra fifidianana. Miantoka ny fanofanana ireo manampahaizana manokana momba ny fifidianana sy ny tetikasa GPS eo anivon’ny Réseau électoral de l’Océan Indien. Mpampiofana ny avy amin’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC) sy ny Ceni ary ny avy amin’ny tetikasa.
R. Nd.




