FANTINA sy FINTINA

“Mapar 100% ve ny Antenimierandoholona ary ho Mapar avokoa ve ny loholona rehetra?” Io ny fanehoan-kevitry ny avy amin’ny antoko Humaniste-Écologiste, Ralambomahay Toavina, omaly, manoloana ny fampiakarana ho 60 tapitrisa Ar ny anto-bola firotsahan-kofidina loholona. Mihasarotra ny tolona ataon’ny olom-pirenena amin’izao fitondrana izao.

“Tsy mety ary fanilihana ny fandikany ny fampiakarana avo efatra heny ny anto-bola firotsahan-kofidina loholona ataon’ny fanjakana”, hoy ny depiote tsy miankina avy amin’ny Fivoi, Rajerison Antoine, omaly. Tsy natao ho an’ny mpanankarena ny toerana loholona, fa ho an’ny manana vina sy hazondamosina ary vo­nona hiaro ny rafitra eny ifotony.

Tsy marina ny hoe misakana ny fanatan­terahana ny Fampiasam-bola fanohanana ny fam­pandrosoana (Ciad) izy, araka ny fanazavan’ny lehi­ben’ny distrikan’i Arivonimamo, Razafindralambo
Rojo, manoloana ny resaky ny depiote any an-toerana mangataka ny fialany. Ny antontan-taratasy no tsy tomombana, ka lavin’ny mpanara-maso ny fitantanam-bola.

Partager sur: