Ilaina ny mahay solfezy. Setriny: « ny razantsika tsy nahafantatra na tongotra naoty iray aza ». Ilaina ny manatrika fiofanana ho fanatevenam-pahalalana. Setriny: «efa voafehinay tsara io. Izahay aza no tokony hampianatra»… Taona 2025, mbola tafajanona amin’izany hadihevitra izany ihany no heno eo amin’ny tontolon’ny zavakanto malagasy. Ilay saina na foto-pisainana no efa manda. Raha vao miala kely amin’ny mahazatra, tsy eken’ny saina, na hita fa mahasoa izao aza.
Tombony lehibe ho an’ny zavakanto sy ny mpanakanto malagasy ny fananana talenta. Raha tsy hanimbana ny fototra, ilaina ny saina mivelatra. Io na ireo fototra sy hasina ananan’ny kolontsaina sy zavakanto malagasy no tsy tokony ho simba na hiova, amin’ny fikatsahana fahalalana sy fahaizana. Noho izany, fanatevenana no ilaina fa tsy fandravana fototra. Tsy tokony hiteraka tahotra ny fanatanterahana izany.
… Tsy natao hanimbana ilay fanahy ananan’ny mpanakanto, zavakanto ary ny kolontsaina, ny fivelarana (fiofanana, fianarana, fifanakalozana…). Ny fitendrena zavamaneno malagasy ao amin’ny ankohonana, ohatra, dia efa zava-dehibe satria maka ny endriky ny fiofanana.
HaRy Razafindrakoto




