Ratsy fanombohana ny Akion’i Madagasikara eo amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja handball, sokajy zandriny. Niondrika teo anatrehan’i Angola, tamin’ny isa 22 no ho 12, ny tovovavy malagasy. Fihaonana notanterahina omaly, tao amin’ny Kianja Oran Algerie. Nifandanja ny lalao teo amin’ny roa tonta, saingy nanantombo teo amin’ny fahazarana lalao goavana ny angoley.
Na izany aza, tsy nisy baolina maty nandritra ny 5 mn voalohany. Minitra faha-7, nanokatra ny isa voalohany ny Akion’i Madagasikara, saingy tsy ela ny valin-kafatra ka nosahalain’i Angola izany. Nihoarany mihitsy aza, ka lasa 2 no ho 1. Avy eo nosahalain’ny Malagasy indray. Taorian’io, nitsoaka tsikelikely ny angoley. Nitarika hatrany amin’ny 6 no ho 2 avy eo izy ireo. Niezaka hatrany anefa ry Eulalie sy ny namany ka nihena ho 6 no ho 4 ny isa. Be loatra ny fikoropahana teo amin’ireo Malagasy mpilalao ka verivery foana ny baolina ary nivadika ho valim-panafihana ho an-dry zareo angoley izany. Nitarika tamin’ny isa 13 no ho 7 izy ireo, teo amin’ny fizaram-potoana voalohany.
Tapa-potoana faharoa, niezaka nanafika ny Akio ka nihena ny elanelan’isa, 13 no ho 9. Na teo aza izany, tsy nahasakana ny angoley tsy hamono baolina. Tsiahivina fa iray vondrona amin’ny Akio, i Nigeria, Tunisia, Kenya, ary i Bénin.
Tompondaka




