« Muay Thai Tournament 2 » : Hitiliana izay hiatrika ny « Trophée de Choc 2026 »

Hotontosaina ny alahady 21 septambra izao, ao amin’ny Kianja mitafon’i Mahamasina, ny andiany faharoa amin’ny « Muay Thai Tournament ». Fifaninanana hitiliana izay hiatrika ny ady iraisam-pirenena, toa ny « Trophée de Choc 2026 ». Ny klioban’ny GISL (Grande île sports loisirs ) no mikarakara izao fifaninanana izao, ahafahana mitily ireo Nak Muay, sokajy A. Nisy ny fampahafantarana ny fizotran’ny fifaninanana, ny faran’ny herinandro teo, teny amin’ny Dune Coffeeshop Ampandrana, izay notarihin’ny klioba mpikarakara sy ny federasionina ary natrehin’ny mpikatroka sy ny klioba mpandray anjara. Nambaran’ny filohan’ny klioban’ny GISL, ny maître Razanajatovo Gildas, fa mbola hisy ny fifaninanana roa hafa aorian’ity amin’ny alahady ity. Any Toamasina ny iray ary hiverina eto Antananarivo ny iray farany, ahafahana mamoaka ny anaran’izay mendrika hiatrika ny fifaninanana iraisam-pirenena. Nanamafy ny filohan’ny federasionina malagasin’ny Muay Thai, Ralotoalizao Hainatiana Gervais, fa misy ny fepetra takina amin’ny fiatrehana fifaninanana iraisam-pirenena, ka anisan’izany ny fandraisana anjara amin’ny fifaninanana maro karakaraina eto an-toerana hitarafana ny lentan’ny mpikatroka iray. Raha ny fandaharam-potoana, hanomboka amin’ny 2 ora tolakandro ny fifaninanana, ny alahady 21 septambra ho avy izao.

Mi.Raz

Partager sur: