ONG Tolotsoa : “Mila fanazavana ny tsy famerenana fifidianana kaominaly”

Mbola tsy tanteraka, hatramin’izao, ny famerenana ny fifidianana ben’ny Tanàna amin’ireo kaominina sasany. Mila fanazavana ny momba izany, araka ny nambaran’ny eo anivon’ny ONG Tolotsoa.

“Amin’izao fotoana izao, efa navoaka ny fankatoavan’ny go­ver­ne­manta ny datim-pifidianana loholona amin’ny 11 de­sambra, naroson’ny Ceni. Mi­dika izay fa tsy handeha alohan’izay fifidianana loholona izay ny famerenana fifidianana ben’ny Tanàna, na fantatra aza fa anisan’ny mandrafitra ny mpifidy vaventy amin’ny fifidianana loholona ny ben’ny Tanàna sy mpanolotsain’ny Tanàna.” Io ny fanehoan-kevitry ny tomponandraikitra amin’ ny fanetsehana fiarahamonina sy olom-pirenena eo anivon’ny ONG Tolotsoa, i Miadana Fabien Privat, ny amin’ny tsy fanatanterahana ny fifidianana ben’ny Tanàna amin’ny kaominina vitsivitsy izay tokony haverina. Izany no mamaritra hoe: manahirana ny mametraka ny lanjan’ny didim-pitsarana eto Madagasikara. Aiza ho aiza marina ny lanjan’ny di­dim-pitsarana, raha misy ny notanterahina ary misy tsy tanterahina?
Anjaran’ny mpitondra ny tokony hanome valin’izay. Ma­ninona no tsy tanteraka izay fi­fidianana ben’ny Tanàna tokony haverina izay? Ny governemanta no manapaka ny amin’ ny fanatanterahana izany. Ny Ceni no mikarakara ny fifidianana, rehefa eken’ny governemanta. Anjaran’ny Ceni ihany ny manolotra ny daty hamerenana izay fifidianana kaominaly izay. Aroso amin’ny governemanta ny fanontaniana: inona no mety ho antony tsy hahavita ny famerenana fifidianana izay didian’ny lalàna? Didim-pitsarana no eo ha­merenana an’izay fifidianana izay, nefa tsy tanterahina. Aiza ho aiza izany ny lanjan’ny didim-pitsarana rehefa fifidianana no resahina eto amin’ ny firenena?

R. Nd.

Partager sur: