Manomboka miroborobo fatratra ankehitriny ny hetsika hoenti-miantsa tononkalo. Mahasarika talenta vao eo amin’ny tontolon’ny soratra rahateo izy io. Samy manao izay hampiavaka ny azy ny mpikarakara sy ny mpiantsa tsirairay. Milaza ny heviny i Rado Ramaherison, mpanoratra.
Gazety Taratra (*): Miroborobo fatratra ny fiantsana tononkalo ankehitriny. Mora hatao ve izy io sa afaka miantsa avokoa ny olon-drehetra?
Rado Ramaherison (-): Tsorina tsy am-pisalasalana fa mora am-pitenenana ny hoe tononina am-bava ny tononkalo. Raha ny marina, noho izy zavakanto, araka ny famaritan’ ny Rakibolana malagasy: “asa soratra misy sarinteny sy aingam-panahy, vita amin’ny teny mirindra…”, dia mila talenta, toy ny amin’ny fahaizana mihira ihany koa, ny fiantsana tononkalo. Mila iainana sy omena aina ny fiantsana tononkalo mba hivoahan’ilay fanahy velona sy mamelona ao anatiny. Efa raikitra anarana “tononkalo” moa rehefa asa soratra, miady rima na tsia, fa mba tsara ihany ny mamerina eto fa ny “kalo dia hira fanao raha malahelohelo, mahatsiaro ny ela sy mitantara ny lasa”, raha ny famaritan’ny Rakibolana malagasy azy.
Tsy vakiteny, araka izany, ny fiantsana tononkalo. “Na toy inona na toy inona fiezinezin’ny talentan’ny poeta dia tapany ihany; ny talentan’ny mpamaky (ilay mpiantsa no ambarany eto) no manovona azy ho erany”, hoy i Randja Zanamihoatra, manamafy izany.
* Efa ao amin’ilay mpanoratra ny aingam-panahy sy ny antony nanoratany ilay tononkalo. Ka maninona raha izy ihany no miantsa ny sanganasany?
– Tsy voatery! Misy, ohatra, mpamoron-kira fa mety tsy ho izy no mihira ilay hira fa omeny olon-kafa, satria, fantany fa iny olona omeny ny sanganasany iny no afaka mamoaka tsara sy mampita ny tiana ho lazaina anaty tononkira. Ao amin’ilay olona ny fanahy hoenti-mamoaka izany. Mety ho an’ireo pôeta sy mpanoratra tsy manan-talenta amin’ ny fiantsana ihany koa izay mba ho fitandroana ny fanahin’ilay asa soratra sy mba hampivoaka tsara ilay sary mila hateraka ao an-tsain’ny mpihaino.
… Raha vao miandoha mamaky teny ny zaza. Tononkalo no anazarana azy ireny. Izany hoe, any dia efa tokony ho hita manangasanga ny talenta amin’ny famakiana tononkalo.
Nitafa: HaRy Razafindrakoto




