Safidy : “Fanilihana olona ny anto-bolan’ny firotsahan-kofidina loholona”

“Nanaitra ny sain’ny maro ny hoe 60 tapitrisa Ar ny anto-bola amin’ny fifidianana loholona. Folo taona lasa, 450 000 Ar izany; tamin’ny 2020, 15 ta­pitrisa Ar; izao, miakatra ho 60 tapitrisa Ar.” Io ny fanehoan-kevitry ny mpitondra tenin’ny firaisamonina sivily Safidy, Razanamahefa Désirée Marie Stella, teny Ambatonakanga, omaly, momba ny fampiakarana ny anto-bolan’ny firotsahan-kofidina loholona. Teo aloha, nambaran-dry zareo hoe fanilihana ny tanora sy ny vehivavy ny fampiakarana anto-bola amin’ny fifidianana. Amin’izao, fanilihana olona amin’ny ankapobeny. Sokajin’ olona toy inona no tiana hiro­tsaka loholona eto Madagasi­kara? Tsy misy antoko politika manana izany. Tsy tokony hohadinoina fa enina ny fari-pifidianana. Raha te handrotsaka kandidà amin’ireo Farita­ny enina ny antoko iray, mila manana 360 tapitrisa Ar. Iza amin’izany no tiana hirotsaka ho loholona? Tokony hisy fa­nazavana fanampiny: inona no anton’izay? Voatohintohina ny demokrasia vao nankalazaina tamin’ny 15 septambra.
Manaitra ny besinimaro koa ny hoe: inona no ampiasana ny anto-bola? Raha ma­hazo vato 10% ny kandidà, ha­verina aminy ny anto-bola; raha latsaky ny 10% izany, lasa volam-panjakana. Faha­roa, rehefa mikarakara fifidianana ny Ceni: tsy miankina amin’ny vola arotsaky ny kandidà, fa efa manana tetibola nofidina miaraka amin’ny lalàna mifehy ny tetibola. Tsy mi­sy ifandrasainy amin’ny anto-bolan’ny kandidà ny vola ampi­asaina amin’ny fikarakarana fifidianana. Efa tafiditra ao anatin’ny kitapom-bolam-panjakana ny anto-bolan’ny kandidà. Ny lalàna mifehy ny tetibola manaraka no mamoaka izay hampiasana azy.

R. Nd.

Partager sur: