Tsy misy fefy ny mozika! Efa nanaporofo ary mbola manohy izany ny tarika AmbondronA. Hamafisin-dry zalahy indray ilay fisokafana amin’ny mozika, amina namana mpitendry hafa manana ny fironany, mandritra ireo seho roa hotontosaina ny zoma 19 septambra sy ny alahady 21 septambra izao. Tontosa omaly mantsy ny famerenana farany nataon’ny tarika, ary tazana nandritra izany ireo mpitendry nasain-dry zalahy manokana amin’ity. Ny Quator Squad, fanta-daza amin’ny fiangaliana ny karazana mozika rehetra amin’ny zavamaneno misy tadiny, na dia nifototra tamin’ny mozika klasika aza. Eo koa ry Tahina Vibe, Kevin ary Nah, samy mpanakanto mpitsoka saxophone, manana fironana kokoa amin’ny jazz, sns. Hanampy izany ry Tambours Gasy, tarika iray ivondronan’ireo mpilalao karazan’amponga sy ny zavamaneno ravaka.
Mazava loatra fa hanana loko hafa ireo hira nosafidiana, iarahan’ny AmbondronA sy ireto vahininy ireto. Fanaon’ ireo tarika efa kalaza any ivelany izany, hanamarika sy hampiavaka ny seho lehibe iray. Tsy manala ilay fototra naha izy ny hira, fa manome loko mankany amin’ilay fisokafana izany. Efa noraisin’ny mpankafy tsara rahateo hatramin’izay ny safidin’ny tarika rehefa seho goavana toa izao. Antenaina fa mbola hiavaka kokoa ny mahazatra ny amin’ity, indrindrafa efa fotoana elaela ny fanomanana ara-javakanto sy ny lafiny teknika. Tsiahivina fa efa lany tanteraka ny tapakila ho an’ny seho ny alahady.
Zo ny Aina




