Tsy mitsahatra mivelatra ny Traceur Gasy ao anatin’ny fanapariahana ny taranja Parkour eto Madagasikara, eo anivon’ny ranomasimbe Indianina, eto Afrika sy manerana izao tontolo izao. Taorian’ny niatrehana ny « Festival Alefa Parkour » andiany fahefatra izay nahitana fahombiazana, nanainga, omaly, indray ny delegasionina malagasy , ahitana azy 3 mirahalahy: Faliniaina Antonio, Serge Ranaivomanana Serge ary Ranaivomanana Toky. Nihazo an’i Kaomoro izy ireo hiatrika ny « Festival des arts de la rue » izay hotanterahina manomboka anio, hatramin’ny 26 septambra. Tsiahivina fa tetikasan’ny Traceur Gasy tohanan’ny « Institut français de Paris » no nahafahan’ireto atleta ireto hifampizara traikefa any Kaomoro, tafiditra indrindra ao anatin’ny « African Parkour Tour ». Ho fanohanana ireo mpandraharaha ara-kolontsaina eto Afrika no tanjona amin’ity tetikasa ity. Hampiavaka ny dian’ireto Malagasy atleta any Kaomoro ireto ny fiarahana amin’ilay Malagasy mpanao Cirque, i Aléa Circus.
Mi.Raz




