Afaka andro vitsy, hiatrika ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, ho an’ireo klioba ny Elgeco Plus Madagascar. Nanafatra mpilalao maro ity klioba ity hanatevina ny ekipany.
Hanainga anio, ho any Maorisy, ny ekipan’ny Elgeco Plus, hiatrika ny fiadiana ny ho tompondakan’ ny klioba aty Afrika « Ligue des Champions Caf ». Miisa 39 ny delegasionina hihazo any an-toerana, araka ny loharanom-baovao avy eo anivon’ity klioba ity. Amin’ireo mpilalao 23 mandrafitra ny delegasionina, miisa efatra ireo mpilalao anatin’ny Barea Chan hanatevina ny ekipa.
Anisan’izany i Toky Niaina, lohalaharan’ny Cosfa, sy i Toky, vodilaharan’ny Fosa Juniors. Eo ihany koa i Nicolas, vodilaharan’ny Fosa Juniors sy i Micka na i Gregass, irakiraka mpanafika an’ny CFFA Andoharanofotsy. Ankoatra ireo, misy an’ilay kameroney, Raoul Pafong, ihany koa hanampy ny klioba mandritra ity fifanintsanana ity. Araka izany, miisa 11 ny mpilalao tany amin Chan anatin’ny klioba amin’izao. Ankoatra azy efatra mirahalahy, misy an-dry Toldo, mpiandry harato, i Tony, i Mamisoa, i Jess, i Tsila, i Onja ary i Manda koa ny ekipan’ny Elgeco Plus de Madagascar.
Noraisin’ny minisitera…
Tsara ny mampahatsiahy fa efa ho roa volana izay ny klioba no nanoman-tena. Ny Silver Strikers FC avy atsy Malawi no hifandona amin’ ireto ekipa malagasy ireto, ny alahady 21 septambra ho avy izao, any Maurice.
Noraisin’ny eo anivon’ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena (MJS), izay tarihin’ny minisitra Moustapha Abdulah Marson, izy ireo, omaly, tetsy Mahamasina. Ampahafantarina ihany fa sambany teo amin’ny tantaran’ ny baolina kitra malagasy no hiatrika ity LDC aty Afrika ity ny Elgeco Plus. Tanjon’izy ireo ny ho tafita amin’ny dingana lavitra amin’izany fifaninanana izany.
Fitia Randria




