Hatao anio sy rahampitso, eto Antananarivo, ny fihaonambe fahatelon’ny fiaraha-miasa itsinjaram-pahefana eo amin’i Madagasikara sy i Frantsa. Eo ambany fiahian’ny filohan’ny Repoblika izany, araka ny fampitam-baovao avy eny amin’ny minisiteran’ny Raharaham-bahiny, Anosy, omaly. Amin’izany no hampivondronana ireo mpanapa-kevitra sy mpiantsehatra eto an-toerana ary ireo miombon’antoka ny amin’ ny fanamby iombonana: hanorina faritra matanjaka kokoa sy miray hina ary maharitra.
Fivoriana itambarambe, atrikasa ara-dohahevitra sy fifampidinihana ary fanaovan-tsonia fiaraha-miasa vaovao no hatao mandritra ny roa andro. Miara-miasa ho amin’ ny fitantanana eo an-toerana hanoloran-tena amin’ny fiatrehana fiovoavan’ny toetr’andro. Eo koa ny fanamafisana ny fivelaran’ny vondrombahoakam-paritra itsinjaram-pahefana sy ny fifamatorana eo amin’i Madagasikara sy i Frantsa.
R. Nd.




