Nisy ny fikasana hanao hetsika an-dalambe tany Imerintsiatosika, faritra Itasy, omaly. “Aoka tsy hoentina eny amin’ny tsy fanarahan-dalàna ny vahoaka”, hoy ny Synad.
“Tsy tokony ho eny amin’ny tambajotran-tserasera no mifanazava, fa tokony hifanatona any anaty birao. Na manatona avy hatrany ireo lehibe isan’ambaratonga mifehy mivantana. Aoka tsy hoentina eny amin’ny tsy fanarahan-dalàna ny vahoaka. Tsy vahaolana velively ny fikasana hidina an-dalambe.” Izay ny fanambaran’ny birao nasionalin’ny Sendikan’ny administratera sivily (Synad), manoloana ny faneriterena tsy ara-dalàna mahazo ireo solontenam-panjakana amin’ ny asany toy tranga misy ao amin’ny distrikan’i Arivonimamo.
Fanjakana tan-dalàna i Madagasikara, ka tsy misy ambonin’ny lalàna. Aoka samy hanaja ireo didy aman-dalàna manankery. Ny fanajana ny fisaraham-pahefana voalazan’ny lalàmpanorenana, ohatra, ny fanajana ny didim-panjakana 2020-833 tamin’ny 29 jolay 2020 mifehy ny fitantanana ny “Crédit d’investissement appui au développement” (Ciad), iarahan’ny depiote sy ny solontenam-panjakana, ny fanajana ny didim-panjakana 2009-890 tamin’ny 2 jolay 2009 mifehy ny fokontany. Momba ny tranga ao amin’ny distrikan’i Arivonimamo, samy raiamandreny na ny depiote na ny solontenam-panjakana ka tsara mipetraka ho maodely eo anivon’ny fiarahamonina.
Melohin’ny Synad ny fanalam-baraka ampahibemaso atao amin’ny administratera sivily manao ny asany ao anatin’ny fanarahan-dalàna. Resy lahatra ny sendikà fa tsy misy afa-tsy ny fiaraha-miasa eo amin’ny olom-boafidy sy ny olom-boatendry ihany no hany lalan-tokana ahazoana miantoka fampandrosoana matotra eny ifotony. Koa manentana ny roa tonta mba hiroso amin’izany. Aoka hampandeferina ny hambompo diso toerana. Aoka mba ny tombontsoa ambonin’ny firenena sy ny vahoaka no tena imasoana.
R. Nd.




