Nankatoavin’ny filankevitry ny minisitra teny Iavoloha, afakomaly, ny handraisan’i Madagasikara ny lanonana fanolorana mari-pankasitrahana ny olon’ny taona 2026 avy amin’ny gazety boky Africain Leadership Magazine. Antony ny fanomezan-danja ny haitariky ny filoha Rajoelina Andry izay voahosotra ho mpitarika afrikanina eo amin’ny politika, taona 2024.
Nanatitra taratasy fa tsy nisy nandray teny amin’ny Antenimierandoholona, Anosy, omaly, ireo mpanolotsain’ny Tanàna avy amin’ny mpanohitra eo anivon’ny CUA. Anton’izany ny fangatahana fihaonana hikatsahana vahaolana amin’izay maharary ny vahoaka, toy ny fahatapatahan’ny famatsian-jiro sy rano eto Antananarivo Renivohitra nahavoafidy azy ireo.
Nataon’ny fitondram-panjakana amboletra ny fifidianana loholona amin’ny 11 desambra ho avy izao, araka ny nambaran’ny mpanolotsain’ny Tanàna, Antananarivo Renivohitra, Rakotoarisoa Alban, teny Anosy, omaly. Voalazan’ny lalàmpanorenana fa tokony hofidina ny lehiben’ny Faritany sy ny lehiben’ny Faritra ary mpanolotsain’izy ireo avy.




