Loholona Rakotondrazafy Lalatiana : Miezaka mitady vahaolana ny fanjakana amin’izao

Resaka fahatapahan-jiro! Taorian’ny antso tao anaty tambajotran-tserasera sy teny Anosy, omaly, nataon’ny mpanohitra ho an-dRakotondra­zafy Lalatiana, loholon’i Mada­gasikara, nivoaka tamin’ny fanginana ny tenany, omaly ihany. Nohamafisiny tamin’ny fanambarana naparitany tao anaty facebook fa miezaka ny mitady vahaolana ny fanjakana ankehitriny.
«Ny maha samy hafa ny ta­min’ny 2016 sy ny amin’izao dia tsotra: tsy rototra nitady va­ha­olana mihitsy ny mpitondra ta­min’izany. Ankehitriny kosa, efa misy ny lamina mi­petraka ary efa manomboka ny asa. Ani­san’ izany ny fametrahana foibe fa­mokarana he­rinaratra avy amin’ny herin’ny masoandro, gropy mandeha solika,…  Efa miandry ny fahavitany isika izao», hoy ny loholon’i Madagasikara, Rakotondrazafy Lalatiana.
Raha hiverenana ny zava-nisy, niantso an’ity loholona ity hitarika olona etsy Ambohija­tovo, noho ny resaka fahatapahan-jiro, ireo mpanohitra mpanolotsain’ny Tanànan’ Anta­­na­narivo, tarihin-dRakoto­arisoa Alban sy Raharinirina Clemence ary Rafaralahy Lily. Tonga nanatitra taratasy ho an-dRakoton­drazafy Lalatiana mihitsy izy ireo noho io resaka io, teny Anosikely, toerana misy ny Antenimierandoholona.
Nomarihin’ity loholona ity fa melohiny tanteraka ny fihetsika nitranga teny Anosy, ary nohamafisiny fa Lapam-panjakana io. Raha ny filazany, tsy nahazoana alalana ny zava-nitranga teny an-toerana, ka heloka eo anatrehan’ny lalàna manan-kery izany, satria ma­nana ny satany ny Lapam-panjakana.

F.R

Partager sur: