Madajazzcar Festival: Manatsara ny fahaiza-mamorona ny « Tremplin »

Anisan’ny mampiavaka ity andiany faha-36 amin’ny « Madajazzcar Festival » ity ny fitomboan’ny isan’ny tanàn-dehibe hanatanterahana izany. Nomena lanja lehibe ao anatin’ny fiofanana kosa ny fitsinjovana ny hoavy manaraka tahaka ny famoronana.

Ny 15 septambra teo no nanomboka ny «Trem­plin Madajazzcar» ho an’Antananarivo. Ny 17 septambra ny tany Antsirabe. Hanomboka ny 23 septambra izao kosa ny any Toamasina… Ireo rehetra ireo, fiofanana sy fampianarana miompana any amin’ny fanatevenana sy fanamafisana ny fahaizan’ireo mpandray anjara mba hahafahany manohy ny lalany any amin’ny famoronana.
Manana fototra lehibe ny mpiofana, satria, hianarana avokoa ireo singa fototra maha kanto sy mampirindra ny hira na feonkira eo amin’ny tontolon’ny jazz. Misy rahateo ny lesona an-tsoratra sy ny fampiharana avy hatrany. Tafiditra ao anatin’ny fiofanana ny «improvisation», «structure», «réharmonisation», «solfège», «accords»…
Aorian’ny fiofanana isaky ny tanàna. Hiatrika fifaninanana ireo mpiofana. Izay mahazo ny laharana tsara no hiatrika ny fifanintsanana hotanterahina eny amin’ny Oniversi­ten’Antananarivo, ny 8 oktobra izao. Izay mahazo ny laharana voalohany amin’io indray no hisitraka ireo loka lehibe toy ny fandraisam-peo, fampisehoana an-tsehatra maromaro, fanohanana manokana eo amin’ny tontolo artistika.
Marihina fa anisan’ny omena lanja lehibe amin’ny Madajazzcar Festival 2025 ny «firaisam-po ao anatin’ny fahasamihafana. Tsy amin’ny zavakanto ihany fa eo amin’ny fiainana andavanandro mihitsy», hoy i Jackie Ranari­son, filohan’ny Madajazzcar Festival. Ireo mahafehy tsara ny jazz sy io lohahevitra io rahateo no miandraikitra ny fiofanana mandritra ny «Tremplin Madajazzcar». Ny eto Anta­nanarivo, ahitana an’i Seta Ramaroson, Joro Rakotozafiarison, Vatsiahy Ravaloson, Tahia­navibe Ramahefason. Ny any Antsirabe, hiandraiketan’i Jaquis Ralph, Josia Kennedy, Kevin Mirija, Finoana Aina.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: