« Angaredona Mozika Festival »: Handrasan’ Ambohimanga i Rossy

Ivon’ny hetsika « Angaredona Mozika Festival » ity faran’ny herinandro ity. Anio sy rahampitso mantsy ny fampisehoana goavana hotontosaina eny amin’ny Kianja Ankadivory, Ambo­himanga Rova. Anisan’ny andrasana amin’ity andiany faha-19 ity ny tarika Rossy, izay sambany handray anjara amin’ny « Angaredona ». Ry zareo no hamarana ny seho ny alahady, hitondra ny tapolaka sy ny bapampa eny Ambohimanga.
Mialoha izany, ifandimbiasan’ny karazana mozika miaina ny sehatra goavana, rahampitso. Handray anjara eo ry Théo Rakotovao, Njara Marcel, Raouto, L-Jo, Telofangady, Vaovy. Amin’io fotoana io ihany koa no hiaka-tsehatra ireo vahiny toa ny Lowis (La Réunion), Vallen sy Nanny (Rodrigues), Kafirah Gasy (La Réunion).
Tsiahivina fa efa nisy fampisehoana ny zoma, izay maimaimpoana. Nanafana izany ry Mbola Talenta sy Inah, Jean Piso ary i Steph Rambi.

Zo ny Aina

Partager sur: