Nisafidy ny Kianja Stade Felix Houphouet-Boigny, ao Côte d’Ivoire, ry zareo kaomorianina, amin’ny fihaonana amin’ny Barean’i Madagasikara. Lalao miverina tafiditra amin’ny andro faha-9 hifanintsanana hiadian-toerana ho an’ny “Mondial 2026”, taranja baolina kitra izy io. Ny alarobia 8 oktobra, manomboka amin’ny 7 ora hariva, ora eto Madagasikara, ny lalaon’ny roa tonta. Any amin’ny Stade du 26 mars, any Mali, kosa no handray ny Barea ry zareo Voromaherin’i Mali, eo amin’ny andro faha-10 farany, ny alahady 12 oktobra ho avy izao. Amin’ny 10 ora alina eto Madagasikara ny hanombohan’ny fihaonana. Manan-danja lehibe amin’ny Barean’i Madagasikara ireo lalao roa ambiny ireo. Hiankina amin’ireo mantsy ny hahatafidirana ao anatin’ireo roa voalohany. Tsiahivina fa mitarika vonjimaika ao amin’ny vondrona “I” i Ghana, nahazo isa 19. Laharana faharoa ny Barea, manana isa 16, arahin’i Comores, nahazo isa 15. Fahefatra ry zareo Malianina, manana isa 15, fahadimy i Centrafrique, isa 5, ary farany i Tchad manana isa 1.
Tompondaka




