Nisy olona nanao fanamiana sivily nisambotra ny mpanolotsaina mpanohitra roa eo anivon’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA), nanoloana ny Lapan’ny Tanàna Analakely, omaly. Tsy iza fa Rahanirina Clémence sy Rakotoarisoa Alban. Tokony ho tamin’ny 10 ora maraina no nitrangan’izay. Saika hanatitra taratasy fangatahana fahazoan-dalana eny amin’ny prefektioran’Antananarivo amin’ny hetsika kasain-dry zareo hatao eny Ambohijatovo, amin’ny 25 septambra, izy ireo. Talohan’izay, nisy ny fametrahana taratasy fampahafantarana ny amin’izany teo anivon’ny CUA. Mbola nisy ny resaka tamin’ny mpanao gazety taorian’izay ny amin’ny fitadiavam-bahaolana amin’ny delestazy.
“Tsy ny mpitondra ankehitriny nilaza tamin’ny fotoana fa malalaka sy takina ny fanehoan-kevitra no ndeha hanakantsakana sy hisambotsambotra na hanao antsojay sy ramatahora aminay, sanatria”, hoy Raharinirina Clémence. Miezaka mitondra ny adidy sy ny tamberin’andraikitra ho an’ny vahoaka nifidy azy izy ireo. “Tsy anavahana na ny mpitondra na ny mpanohitra, fa olana iraisan’ny rehetra ny jiro sy ny rano”, hoy kosa ny mpanolotsaina Rakotoarisoa Alban.
“Tsy nanome baiko an’izany aho”, hoy ny prefet, Antananarivo, ny jeneraly Ravelonarivo Angelo, niditra an-telefaonina tamin’ny haino aman-jery tsy miankina iray. Tsy manana fahazoan-dalana ry zareo, nefa mitarika olona eny an-dalambe. Mangataka fahazoan-dalana vao milahatra, fa tsy hoe milahatra aloha… Tsy azo atao ny manao hetsika. Ny lalàna no mametraka an’izay, fa tsy hoe misy fotoana azo atao na tsia ny hetsika. Tsy azo atao izay amin’ny andavanandro rehetra, raha tsy misy fahazoan-dalana.
R. Nd.




