Hatramin’izao, mihoatra ny 130 miliara Ar ny tetibidin’ny entana na vola nogiazan’ny Bianco, araka ny fanazavan’ny tale jeneralin’ny Bianco, Razakamanantsoa Gaby Nestor, teny Ambohibao, omaly. Hatolotra ny Pac mba ho tonga any amin’ny Arai izany, hahazoana mamerina azy any amin’ny fanjakana, rehefa hita tokoa fa avy amin’ny kolikoly no nipoirany.
Ny filaminana sy fitoniana ihany no hitondra fampandrosoana, araka ny fanambaran’ireo ben’ny Tanàna avy amin’ny vondrona politika samihafa ao amin’ny distrikan’i Arivonimamo, teny Ambatomirahavavy, omaly. Taorian’ny hetsika notarihin’ny depiote avy amin’ny Fivoi izany. Takin’izy ireo koa ny fiaraha-miasan’ny olom-boafidy sy ny olom-boatendry.
Napetraka amin’ny toerany tao amin’ny fitsarana ambaratonga voalohany Ampanihy, omaly, ny filohan’ny fitsarana amin’izany, Razafimandimby Jean Marie Laurent. Toy izany koa ny tonia voalohany mpampanoa, Ravanombahoaka Andry. Anisan’ny tonga nanome voninahitra izany ny minisitry ny Fitsarana, Rakotomandimby Benjamin Alexis




