“Voalaza mazava tsara ao amin’ny And. 5 amin’ny lalàmpanorenana fa an’ny vahoaka ny fahefana. Ampiasaina amin’ny alalan’ny fifidianana izany fahefam-bahoaka izany. Azo atao tsara raha ohatra misy ny fangatahana ny safidin’ny vahoaka amin’ny fanaovana fitsapankevi-bahoaka.”
Io ny nambaran’ny governoran’ny Faritra Diana, Rakotomanga Taciano, tamin’ny mpanao gazety tany Antsiranana, afakomaly, manoloana ny adihevetra momba ny fe-potoana fiasan’ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry.
Amin’izay fotoana izay, maneho ny safidiny ny vahoaka. Efa fanoherana sahady ny maha tany demokratika ny eto Madagasikara ny fanoherana an’izay. Fanoherana ny fangatahana ny safidin’ny vahoaka dia fanoherana ny demokrasia. Mazava be ny famaritana ny demokrasia fa avy amin’ny vahoaka ny fahefana, ary avy amin’ny vahoaka ny safidy. Raha ny vahoaka tompon’ny fahefana izay no tsy afa-kaneho ny safidiny, heverina fa tsy rariny ary tsy mandala ny hoe tany demokratika izay.
Raha ny fahitany ny momba ny hoe fe-potoam-piasana fahatelo, ny filohan’ny Repoblika no tompon’ny teny farany. Ny vahoaka malagasy no tokony mbola hangataka an’ izay hanohizan’ny filohan’ny Repoblika ny asa maro efa nataony. “Raha manapa-kevitra ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry, fa tsy hirotsa-kofidina intsony: sarotsarotra ho antsika Malagasy ny hahita olona tia tanindrazana sy tia fampandrosoana mitovy aminy”, hoy izy.
R. Nd.




