Miezaka ny mamokatra tantaram-pirenena vaovao ho an’i Madagasikara amin’ny alalan’ny fambolena hetsika toy ny tany Nepal ny mpanohitra fitondrana. Tao anatin’ny andro vitsy, mitady hirika ny handrehetana ny afo izy ireo. Mipoitra tsikelikely ny fikotrehana hetsi-bahoaka, mialoka eo ambanin’ny olana sosialy mianjady amin’ny vahoaka.
Misy ny sokajin’olona mitady hijapy fotsiny ny toe-draharaha, izay efa iarahan’ny vahoaka mizaka. Mitady hamadika ny raharaha ho amin’ny tombontsoa politikany. Raha eo ny tena fitiavan-tanindrazana, tsy misy tokony hisy ny fifampirisihana handrava efa. Malalaka ny fanehoana-kevitra, saingy tsy natao ho fialofan’ny mpanao bontolo izany.
Eto dia tsara ny manentana ny olom-pirenena tsirairay tsy ho tafalatsaka anatin’ny vela-pandrika. Ilaina ny fahaizana manavaka ny vary sy ny tsiparifary, na ny setroka sy ny tomany. Tsy sanatrian’ny vava ho indroa hahita ny maizina toa tain’omby asesika an-davaka. Handrora mintsilany sy ho kendan’ny vomanga asesiky ny tanany eo. Mila mailo sy mitandrina.
Manan-jo ny olom-pirenena tsirairay avy haneho hevitra, araka ny lalàmpanorenana. Tsy natao an-jambany sy an-tery anefa izany. Misy ny lalàna hafa mamaritra fa mijanona eo amin’ny fanajana ny fahalalahan’ny hafa ny fahalalahan’ny tena. Tsy azo atao, araka izany, ny amboletra sy ny tery vay manta. Rehefa tsy mandeha amin’ny nahim-pony ny olona dia tsy azo terena.
Izay rahateo no tsy ampy amin-dRamalagasy, mihevitra ny hifanambaka an-toerana avokoa izay afaka manao izany. Tsy kely lalana ny ratsy, hanimba sy hamingana izay mba miezaka ny hivoatra sy hihoatra. Mitady hirika andro aman’alina ny hifampisintonana midina, fa tsy mifanolo-tanana ny hiakatra. Mampalahelo fa mifampidi-kizo no hany fahafinaretana sisa!
r.r




