Mpanohitra fitondrana ; Manararaotra ny fahasahiranam-bahoaka

« Araraotina avokoa! » Hita taratra ankehitriny fa tsy manana politika entina miady hanoherana ny fitondram-panjakana intsony ny mpanohitra ka ny zava-misy sy ny olana mitranga eto amin’ny firenena sisa ataon’izy ireo ampinga hanakorontanana ny sain’ny vahoaka. Etsy ankilany, ny fitondram-panjakana tsy mitsahatra ny mitady vahaolana amin’ny famahana ny olan’ny jiro sy rano, ny fananganana fotodrafitrasa toy ny sekoly, hopitaly, kianja manara-penitra, entina hanampiana ny fanatanjahantena, ary indrindra ny famoronana asa ho an’ny tanora.
Raha ny zava-nitranga tamin’ity herinandro ity no jerena, hita fa tsy liana amin’ny resaka fanakorontanana intsony ny vahoaka, fa ny fitadiavana vahaolana entina miharina amin’izao fiainana izao sisa no mahaliana azy ireo. Manamafy izany ny Governora Analamanga, ny alatsinainy lasa teo. «  Efa tsy liana amin’ny resaka korontana izany intsony ny Malagasy, ka aleo ny resaka fitadiavana vahaolana amin’izao fiainana izao no asiana resaka. Raha manana vahaolana ianao, arosoy », hoy izy.
Ankoatra izay, nifarana omaly ny fivoriana momba ny fitsinjaram-pahefana manamafy orina ny fiaraha-miasa eo amin’i Madagasikara sy i France. Ampahafantarina fa ity hetsika ity dia natao hitsinjovana sahady ny tombontsoan’ny vahoaka sy ny hoavin’ny tanora.

R.F

Partager sur: