Nanomboka ny 13 septambra teo… Tontosa omaly, teny Ambohimanga, ny famaranana ilay hetsika kolontsaina lehibe « Angaredona Mozika Festival » andiany faha-18. Nambaran’i Faly Randriamiarantsoa, tomponandraikitry ny serasera eo anivon’ity hetsika ity fa « fahombiazana lehibe raha fintinina ny Angaredona Mozika Festival ho an’ity taona 2025 ity. Tanteraka tokoa ilay hoe kolontsaina mampiray firenena. Mpanakanto maro avy any amina faritra maro no nandray anjara tao anatiny. Teo ihany koa ny fanolorana zava-baovao ho an’ny olon-drehetra. Tonga teto amintsika, ohatra, ireo mpanakanto avy any amin’ny nosy La Réunion, sy Rodrigue. Anisan’ny nametraka sy nanamafy ny maha festival iraisam-pirenena ny Angaredona Mozika Festival izany ».
Nohamafisin-dRajery, tomponandraikitra voalohany sady namorona ity hetsika kolontsaina sy zavakanto ity ihany koa fa: « tafita ny hafatra. Ezahina hatao ho festival ho an’Antananarivo ny Angaredona. Tsy midika akory izany fa tsy hivoaka an’Antananarivo ny fanatanterahana ny hetsika. Handeha any amin’ny faritra tokoa ny mpikarakara. Hijery, hikaroka sy haka ireo mpanakanto handray anjara. Izy ireny no hoentina eto Antananarivo hiatrika ny hetsika. Noho izany, hisy hatrany ny zava-baovao na ny endrika vaovao. Hivelatra ny talentan’ireo mpanakanto ».
HaRy Razafindrakoto




