Baolina kitra : Ady sahala ny an’ny Elgeco Plus sy ny AS Fanalamanga

« Sady tsy resy no tsy nandresy ! » Samy niafara tamin’ny ady sahala, 1 no ho 1, avokoa ny lalaon’ny Elgeco Plus sy ny AS Fanalamanga, omaly, nandritra ny lalao mandroson’ny savaranonando amin’ny fifanintsanana afrikanina ho an’ny klioba. Raha ho an’ny Ligue des champions C, tsy nahita fahombiazana teo anatrehan’ny Silver Strickers, Malawi, ny Elgeco Plus, omaly, tany Côte d’Or, Maurice. Teo amin’ny amboaran’ny Caf (CCaf) in­­dray, tsy tafavoaka mpandresy teo anatrehin’ny Club Ferro­viario, Mozambika, ny AS Fanalamanga, omaly, tany Maputo.
Marihina fa samy nitarika 1 no ho 0, avokoa ireo solontena malagasy ireo, saingy nahasahala ny isa hatrany ireo mpifanandrina taminy. Araka ny fanadihadiana natao, efa vonona sahady ireo klioba roa tonta ny hitady ny fandresena amin’ny lalao miverina, izay hotanterahina amin’ity herinandro.
Tsara ny mampahatsiahy fa sambany teo amin’ny tantaran’ ny baolina kitra no niatrika lalao afrikanina ny AS Fanalamanga, raha efa zatra mifaninanana amin’izany kosa ny Elgeco Plus.

Fitia Randria

Partager sur: