« Mendrika ! » Tontosa tao Antsirabe, ny asabotsy teo, ny fandraisana ireo mpilalaon’ny Disciples FC, izay nitondra avo ny Barea, nandritra ny « Chan 2024 », ny volana aogositra lasa teo. Nafana ny fandraisana an’i Claude, i Andy, i Bono, i Dahery ary i Coach Bebeto, mpanazatra ara-batana ny Barea Chan, teny an-toerana.
Tonga nanatrika ity lanonana ity, tany Antsirabe ihany koa, Rakotondrabe Romuald Felix, na ny Coach Rôrô. Notolorana mari-pankasitrahana avy moa izy dimy mirahalahy tao amin’ny klioba Disciples FC Vakinankaratra. Nampiavaka ny hetsika ihany koa ny seho natolotr’i Mijah sy Twokii, tao amin’ny Kianja Velodrome, ary nahavory olona maro.
Nahaliana ny olona ihany koa ny fifanandrinanˋny Disciples FC sy ny Ajesaia. Lavon’ ny mpilalaon’ny Bemasoandro, tamin’ny isa 2 no ho 0, ny Disciples, saingy raha atambatra ny fifanandrinana mandroso sy miverina, nisaraka ady sahala ihany ny roa tonta. Tsiahivina fa resin’ity ekipa avy atsy Vakinankaratra ity 3 no ho 1, ny Ajesaia ny 14 septambra teo, teny Itaosy. Ankoatra izay, notsofina rano teo amin’ny Kianja Velodrome, ny asabotsy teo ihany koa, i Ando Rakapy. Ilay fihaonana ny asabotsy teo iny no lalao federaly farany hataony. Marihina fa efa nitondra ambony ny voninahi-pirenena nandritra ny “Chan 2022”, tany Algerie ihany koa ty farany.
Hoy izy ireo :
« Mendrika tanteraka ny hotsenaina sy hanaovana lanonana tahaka izao, izy ireo. Marihina fa namerina ny hafalian’ny malagasy sy nitondra avo ny baolina kitra eto Afrika izy ireo. » i Jean na i LeJean, raim-pianakaviana mankafy baolina kitra etsy Antsirabe.
« Nampientana indray ny tato am-poko ary namerina ny fitiavako baolina kitra malagasy, ny zava-bitan’ny Barea Chan. Hantenaina ny hahazoan’izy ireo ny amboara, afaka roa taona. » i Pascal, na i Dapasy, lehilahy iray nijery sy nanatrika ny lanonana teny an-toerana.
Fitia Randria




