DAKA AN-JORONY: Aza atao misy zanak’Ikalahafa

Mitohy hatrany ny vokatra tsara entin’ny fanatanjahantena malagasy. Taorian’ny baolina kitra, mitondra ny anjarany koa ny taranja tsipy kanetibe. Nanakoako maneran-tany indray ny lazan’i Madagasikara rehefa nandrombaka ny anarana maha tompondaka maneran-tany, ny olon-droa miaraka, lahy sy vavy. Miandrandra izay ho valin-kasasarany koa izy ireo ankehitriny. Koa aza atao misy zanak’Ilakahafa. Tsy misy avo manakatra ny lanitra mantsy na iva mahatototra ny tany fa rehefa mendrika dia tsara ny anarany.
Niasa mangina izy ireo, tsy nanao akora lava. Tsy miebo tena toy ny vorontsiloza ka hikorefarefa tsy ho ankizivavy ary mihambozom-boahangy tsy renin-jaza. Nampandefitra ny hambom-po, niray feo ary niray saina tamin’ny fanapahan-kevitra rehetra teo amin’ny fisafidianana ireo mpilalao. Anke­hitriny nody ventiny ny rano natsakaina ka aleo tsy hisy ho zanak’Ikalahafa.
Tsy ho azy ireo ihany mantsy ny anaram-boninahitra azo fa ho an’ny vahoaka rehetra. Nampiaiky izao tontolo izao ny zava-bita. Nipao-tsatroka ireo kalaza maneran-tany, sendra ireo olon-tsy fantatra anarana akory kanefa nandavo ny andrarezina. Tsy nanao lazany fotsiny tahaka an’Ambohitsi­tono­nina ry zalahy, ny anarana mampody madry fa ny tarehy mampiverin’ilalana. Tsy nifidy tany hiadiana ary vonon-kifono vy satria te hisitraka lapa soa. Koa aza atao misy zanak’Ika­lahafa ny fitantanana ireo maherifo. Ny havozo tokoa mantsy hanitry ny ala, ny voasary hanitry ny saha ary ny rambiazina hanitry ny tanety fa ny fandresena goavana ka nibatana ny ho tompondaka maneran-tany, hanitr’i Madagasikara. Tsy mba ny ombalahy hanoto fa ny vositra tsy mandà hosy, koa aza atao misy zanak’Ikalahafa ny fomba fitondrana azy ireo.

Tompondaka

Partager sur: