Faha-30 taon’ny PAMJ any Etazonia : Nahazo fanasana manokana ny filoha Rajoelina Andry

Hanamarika ny faha-30 taonany ny alakamisy ho avy izao ny Fandaharanasa iraisam-pirenena ho an’ny tanora na ny Programme d’action mondial pour la jeunesse. Hotanterahina any New York ny fotoam-pankalazana. Nahazo fanasana manokana amin’izany ny filoham-pirenena, Rajoelina Andry.

Nahazo fanasana manokana amin’ny fankalazana ny faha-30 taon’ ny Fandaharanasa maneran-tany ho an’ny tanora na ny Programme d’action mondial pour la jeunesse (PAMJ) eo anivon’ny Firenena mikambana (ONU), New York, Etazo­nia, amin’ny 24 septambra ho avy izao ny filohan’ny Re­poblika, Rajoelina Andry. Ao anatin’ny fandaharam-potoana ary anisan’ny mampiavaka ny fivoriambe faha-80 ataon’ ny ONU amin’izao faha-80 taona niorenany izao izany. Tanora malagasy dimy mianadahy no voafantina hiatrika izany, hitondra ny feon’ny tanora malagasy.
Anisan’ny laharam-pahamehan’ny fitondrana ny fanomezan-danja ny tanora, andry fototra amin’ny fampandrosoana: fanomezan-danja ny maha olona. Tsy mijanona ho politika misoratra fotsiny iza­ny, fa napetraka ny tetikasa sy asa hanohanana ny tanora ho mpandray anjara feno amin’ny fampandrosoana. Anisan’iza­ny, ohatra, ny famatsiam-bola ny tanora mpandraharaha sy ny fampanana asa amin’ny tetikasa Fihariana, araka ny fanazavan’ny minisitry ny Tanora sy ny fanatanjahantena, i Abdulah Marson Mous­tapha, ny faran’ny herinandro teo, no anisan’ny nanasana azy manokana. Eo ny nane­ken’ny fitondram-panjakana ny handraisan’i Madagasikara ny fihaonamben’ny tanora afrikanina lehibe indrindra amin’ ny faran’ny volana novambra. Eo koa ny fanaovana ho vaindohan-draharaha ny maha olona sy ny tanora: ny fanamboarana fotodrafitrasa tranon’ ny tanora, ohatra.
Reharehan’ny Malagasy rehetra ary tokony hampiakatra ny hambompon’ny tena ny fananana filohan’ny Repoblika hoe ny ONU no nisafidy azy mba ho anisan’ireo olom-panjakana nasaina amim-boninahitra amin’ny fananany haitarika sy ny fampiroboroboana ny tanora, araka ny nambarany.

R. Nd.

Partager sur: