Ny zoma sy ny omaly, fenon’ny tarika AmbondronA hatrany ny Lapan’ny fanatanjahantena sy kolontsaina etsy Imahamasina. Nahitana fanatsarana hatrany ny teny an-tsehatra sy ny tontolon’ny fampisehoana manontolo. Anisan’izany ny nisian’ ireo mpitendry zavamaneno hafa ivelan’ny tarika izay nahitana sy nahenoina fa nanana « loko » hafa indray ireo hira nahafantarana ny tarika AmbondronA. Teo ihany koa ny nampiasana ilay « ecran » lehibe fa boribory izay tsy fahita firy amina seho goavana tahaka izao raha ho an’ny eto an-toerana. Fanatsarana nitondra endrika nahavariana ihany koa. Nandritra ny fampisehoana, omaly, no namoahan’ny tarika AmbondronA hira vaovao sy nampitany izany ho an’ireo mpijery tonga maro be teny an-toerana.
… Anisan’ny tranga teny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena sy kolontsaina Imahamasina ihany koa ny nahitana ireo mpijery sady tonga ny zoma no nanatrika ihany koa ny alahady. Mifamatotra akaiky amin’ny mpankafy azy ny tarika AmbondronA.
HaRy Razafindrakoto




