Mampikaikaika sy mampiferotra aina ny maro amin’ izao ny fahatapahan-jiro tsy misy farany. Mandra-pahoviana ? Toy izany koa ny fahasahiranana amin’ny fisitrahana rano araka ny tokony ho izy. Ao anatin’ny hafanana be vao ifampitadiavana rano? Saika izay hatrany… Misy manomboka milaza sahady fa vao manomboka io. Mihasarotra sy mihamafy… Na izany aza, tsy manahy tena fotsiny amin’izao fa manantena. Mby amin’ny hoe tsy misy olana tsy ahitam-bahaolana. Mby aiza ? Ny amin’izay indrindra, hisian’ny fifampitokisana matotra sy mitohy: mila atao izay lazaina, lazaina izay atao. Tsy ifampiandrasana na ifanilihana andraikitra, tsy hahazoana tsikera sy fanomezan-tsiny…
Mbola mandaitra sy mahomby ve, ohatra, sanatria ny famonoana afo na fampandriana adrisa? Izay no anisan’ ny mahatonga ny fampiakaram-peo, fitroarana, fihantsiana… Mety misy hatrany ary tsy ilaozan’izay mpanararaotra? Na misy efa miandry kendry tohina fotsiny… Dieny izao vao manomboka izao ny olana na ny fahasahiranana amin’ny fisehony faran’izay mafy, ilaina fanazavana tanteraka sy mitohy amin’ny anaran’ny fangaraharana: rahoviana, ohatra, vao tena ho voavaha ny olana, inona no tena saro-bahana ka iandrasana ny fandaminana… Izay raha tiana ny hisian’ny fifampitokisana sy filaminana. Saro-pady ny raharaha vao manomboka, mila fitandremana sy fahamalinana.
Tsy kely lalàna ny ratsy? Na mitady lalana hatrany… Fa tokony hahita lalàna sy hevitra koa ny tomponandraikitra isan-tsehatra sy isan’ambaratonga. Izay no maha mpitondra ny mpitondra: mahatsinjo mialoha izay mety hitranga, indrindra izay vahaolana amin’izay mety ho fahasahiranana. Vao manomboka io… Tsy iandrasana ho raharahabe vao hohazavaina, hitadiavam-bahoalana azo antoka sy mahomby ary maharitra…
R. Nd.




