Ady amin’ny famotsiam-bola: 29 amin’ny torolalana 40 no tratra

“Ny mahatonga antsika tsy mahatratra ny fanatanterahana ny torolalana 40 amin’ny 40 amin’izao dia satria elaela ihany ny fanatanterahana ny fanavaozana”, hoy ny fanazavan’ny tale jeneralin’ny Sa­mifin, Rajaonarison Mami­tiana, teny Ambodivona, omaly, taorian’ny fanombohana ny atrikasa nanaovana tombana momba ny ady amin’ny famotsiam-bola eto Madagasikara. 29 amin’ireo torolalana 40 no efa mahafa-po. Antenaina amin’ny fanombanana manaraka fa hiakatra any amin’ny 35 na 36 izany. Tamin’ny 2018 ny tombana voalohany, izay 13 amin’ireo torolalana 40 no nahafa-po. Tanjona ny 40 amin’ny 40. Ny dingana amin’ny fanavaozana lalàna, ohatra, mbola dinihina, mandeha amin’ny fandaniana azy…
Mbola mila tosika àry ny lafiny antontanisa, tsy mbola manana amin’ny foibe iray i Madagasikara. Raha misy fanadihadiana mandeha, hita avy hatrany. Raha zava-mahadomelina, ohatra, manahoana ny famotsiam-bola? Mana­raka, ny fangaraharana ny amin’ny olona mifehy ny orinasa endrika ivelany na anarany fotsiny. Izay no nahatonga ny olona tsy hita rehefa lasa ny volamena taloha, ohatra, fa tsy hita izay henjehina. Amin’­ izao, rehefa tsy lazaina hoe iza marina no mifehy ny orinasa, sazin’ny sampandraharahan’ny hetra avy hatrany. Hanampy amin’ny fanadihadiana sy ny fanaraha-maso ny vola mivezivezy izay. Ha­tramin’ny fanagiazana ny harena maloto sy ny famerenana izany amin’ny fanjakana. Eo koa ny fanasaziana ireo orinasa tsy manaja ny fepetra iadiana amin’ny famotsiam-bola sy famatsiam-bola asa fampihorohoroana. Efa ao anaty lalàna izay, fa mila porofoina ny fanasaziana.

R. Nd.

Partager sur: