Ao anatin’ny Fivoriambe faha-80 ny Firenena mikambana (ONU), any New York, Etazonia, amin’izao, nanomboka omaly. Mifanindran-dalana amin’ny fankalazana ny faha-80 taona niorenany rahateo izany.
Handray anjara mavitrika amin’izany ny delegasionina malagasy, tarihin’ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry. Fantatra izao, ankoatra ny fandraisana anjara fitenenana, araka ny loharanom-baovao voaray, hisy ny fihaonan’ny filoha malagasy manokana amin’ny Sekretera jeneralin’ny ONU, Antonio Guterres.
Heverina fa ho anisan’ny hifampidinihan’ny roa tonta ny amin’ny ady amin’ny fiovan’ny toetr’andro. Eo koa ny amin’ny fanampiana ny firenena miatrika an’izay olana izay, toa an’i Madagasikara, izay misetra ny fiavian’ny rivodoza matetika, saika isan-taona. Horesahin’ izy ireo koa ny fampivoarana ny tanora sy ny fahavitan-tenan’ny vehivavy. Hisy koa ny fihaonany amin’ny tomponandraikitra ambony amerikanina, hifampiresahany ny amin’ny hanohizana ny African Growth and Opportunity Act (Agoa) sy ny Millenium Challenge Corporation (MCC) ary ny fampiharana ireo haban-tseranana vaovao napetraky ny fanjakana amerikanina.
Amin’izao fivoriambe faha-80 ataon’ny ONU izao, mitondra ny sata maha filohan’ny Repoblika azy sady filohan’ny vondrona Sadc ny filoha Rajoelina Andry. Araka izany, izy no hitondra ny tenin’ireo vahoaka eo anivon’ireo firenena 16 mpikambana ao anatin’ity vondrom-pirenena ity. Ho amin’ny fampandrosoana ny firenena aty atsimon’i Afrika. Lohahevi-dehibe amin’izao fivoriambe izao ny fiaraha-mientana iraisam-pirenena ho amin’ny fikatsahana fandriampahalemana maharitra. Eo koa ny fampandrosoana mirindra sy ara-drariny ary ny fanajana ny zon’olombelona.
R. Nd.




