“Tremplin Madajazzcar 2025”: Tarika enina hifanintsana eto Antananarivo

Iray amin’ireo fandaharam-potoana mafonja ao anatin’ny hetsika “Madajazzcar Festival” ny « Tremplin Madajazzcar ». Tanàn-dehibe 4 no nahitana izany tamin’ity taona 2025 ity. Ho an’Antananarivo, efa nisy ny vokatra azo.

Amin’ny ankapobeny, ahitana fiofanana arahina fifaninanana ny firafitry ny « Tremplin ». Tafiditra ao anatin’ny fandaharam-potoan’ny “Madajazzcar Festival 2025” izy io. Efa taona maro no tsy nahitana izany ity hetsika lehibe momba ny tontolon’ny jazz ity. Ho an’Antananarivo manokana, ny zoma 19 septambra teo no nifarana ny fiofanana. Nahatratra 40 mahery ny mpiofana. Taranja fototra maro sy fanatevenana izay efa ananan’ny mpiofana fahalalana, mifanaraka amin’ny fianarana zavamaneno sy ny jazz (improvisation, structure, ré­ha­rmonisation, solfège, acco­rds…) no nianarana nandritra ny dimy andro.

Mirafitra ao anatin’ny tarika enina izy ireo. Hotan­terahina rahampitso, manomboka amin’ny 2 ora sy sasany, eny amin’ny La Teinturerie Ampasanimalo, ny fifanintsanana ahitana ny hisolo tena an’Antananarivo amin’ny fo­toam-pamaranana ny “Mada­jazz­car Festival 2025”. Ho avy hanatanteraka seho eny an-toerana ihany koa ny tarika Dimy Nuée.
Amin’ny ankapobeny, ta­no­ra ny ankamaroan’ny mpiofana. Ilay hetaheta hirotsaka lalindalina kokoa eo amin’ny tontolon’ny jazz sy fanatevenana ny fahaizana efa ananan-dry zareo no anisan’ny nisarika azy ireo hanaraka ny « Tremplin Madajazzcar ». Niraisana kosa ny finiavana sy fitiavana hamelatra ny jazz eo amin’ny sehatra lehibe hatrany.
Raha tsiahivina, natao ho teny filamatry ny « Tremplin Madajazzcar 2025 » ny hoe: « Milalao anaty fahamarinana sy firindrana ». Ny « Firaisam-po ao anaty fahasamihafana » kosa ny teny filamatr’ity andiany faha-36 amin’ny Mada­jazzcar ity. « Tsy tokony ho any amin’ny tontolon’ny jazz na ny mozika ihany no hita ireo fa mila iainana ao anatin’ny fiarahamonina mihitsy », hoy i Jackie Ranarison, filohan’ny hetsika “Madajazzcar Festival”.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: