« Feo maroloko » : Fampiarahana talentan’i Farakely, Rija R. ary ry Johary

Mahalaza azy ny lohatenin’ny fampisehoana. Samy manana ny hanitra ho azy ireo mpanakanto nosafidiana hiray sehatra, hamoaka ilay « Feo maroloko ». Hanaraka izay koa ny mozika holalaovina.

“Sarin’ny mozika eto anivon-tany io”. Izay no namintinan’i Rija Ramamantoanina ny “Feo Maroloko”, seho hotontosaina ny alahady 28 septambra izao, manomboka amin’ny 2 ora sasany, etsy amin’ny CCI Ivato. Nampahafantarina, omaly, teny an-toerana ihany, ny andinindininy momba ity hetsika ity. Haka endrika fampiarahana talenta, izay nosafidian’ny mpikarakara aloha, kanefa efa misy tsikombakomba hatry ny ela ihany koa, izany. Rija Ramanantoanina, tarika Johary ary i Farakely no hifandimby an-tsehatra sy hampiara-peo ihany koa mandritra ny seho. Mialoha izay anefa, hisy koa ny fandraisana anjaran’ny La Polifonica sy i Poon. “Hamerina ny hiran’ ireo mpanakanto kalaza toa an’i Henri Ratsimbazafy ny La Polifonica amin’io, hampidi­tra an’ireto mpanakanto
ireto. Samy hanana anjara fampisehoana iray mihitsy izy ireo, ankoatra ny fampiaraham-peo”, hoy ny fanazavan’ ny Dr Rakotobe avy ao amin’ ny Cefermad, izay mpikara­kara.
“Mpanakanto fitaratra ho ahy sy ankafiziko ry zareo ireto. Zava-dehibe indrindra ilay fiarahana sy fifampizarana, ho anay samy mpanakanto sy ho anay sy ireo mpankafy. Izaho no faly indrindra…”, hoy i Farakely. “Tsara foana ny manao fampisehoana eto amin’ity sehatra ity. Tokony hiomana dieny any an-trano, ara-batana, ara-panahy ary ara-potoana izay hanatrika izany. Vao haingana mantsy no nisehatra tato ny tarika Johary nanao Barijaona”, hoy kosa i Gothlieb.

“Hira 10 fara-fahakeliny ny anjaran’ny isan-tarika, izany hoe, fampisehoana telo no hatambatra ho iray. Ho an’ny anjarako manokana, handramana hotsarain’ny mpijery amin’io fotoana io ireo hira vaovao, anatin’ilay rakikira mbola an-dalam-piketrehana. Homena fofony kely amin’ilay big band ny mpankafy, na dia ampahany kely aza no hoentina an-tsehatra”, hoy hatrany i Rija Ramanantoanina.

Zo ny Aina

Partager sur: