Tsy misolo tena an’i Madagasikara fotsiny, fa ny firenena mandrafitra ny Sadc, ny filohan’ny Repoblika malagasy, Rajoelina Andry. Mitondra ny tenin’ny mpikambana mandritra ny fankalazana ny faha-80 taonan’ny Firenena mikambana izy
Hitondra ny feon’i Madagasikara ny filoha Rajoelina Andry amin’izao fivoriana faha-80 ataon’ny eo anivon’ny Firenena mikambana (ONU) any New York, Etazonia, izao. Ny 22 ka hatramin’ny 26 septambra izany. Saingy ankoatra izany, ary sambany eo amin’ny tantaran’i Madagasikara, hitondra ny feon’ireo firenena 16 mpikambana eo anivon’ny Sadc koa izy amin’ny maha filohan’izany vondrona izany azy. Mankalaza ny faha-80 taona niorenany ny ONU. Lohahevitra amin’izany ny hoe “Mahomby miaraka: 80 taon’ny fampandrosoana sy ny fandriampahalemana ary fiarovana ny zon’olombelona”.
Amin’ny maha mpitarika ny Sadc azy àry amin’izao fivoriamben’ny ONU izao, miantsoroka andraikitra lehibe ny filoha Rajoelina Andry. Eo, ohatra, ny fanamafisana ny feon’ireo ferenena 16 mpikamban’ny vondrona. Ao anatin’izany ny feon’ny firenena afrikanina, indrindra aty amin’ ny tapany atsimo. Miara-dalana amin’izany ny fiarovana ny tombontsoa iraisana izay anisan’ny mampiavaka an’i Afrika, toy ny fananana akora fototra, harena voajanahary eo amin’ny sehatry ny fizahantany… Tsy latsak’izany ny fitondrana vahaolana amin’ ireo fanamby iraisana, izay efa nasian-teny tamin’ny fihaonana an-tampon’ny Sadc natao teto Madagasikara, ny 28 jolay – 17 aogositra lasa teo. Anisan’izany, ohatra, ny fiatrehana ny fiovaovan’ny toetr’andro, ny amin’ny fandriampahalemana sy filaminana ary ny fampandrosoana ara-toekarena maharitra.
Zava-dehibe izao fivoriambe ao anatin’ny fankalazana ny faha-80 taon’ny ONU izao hiomanana sy hiatrehana ny 80 taona manaraka. Tsy ho an’ny isam-pirenena toa an’i Madagasikara ihany, fa ho an’ny vondrom-paritra toy ny Sadc indrindra ihany koa.
R. Nd.




