Fianarana teny malagasy. Mbola maro ny fanarenana miandry. Mila miditra bebe kokoa any amin’ny fitsipi-panoratana ny fandaharam-pianarana amin’ny taranja malagasy. Efa maro rahateo ny fikarohana vita momba azy io ka mila havoaka sy hampitaina amin’ireo taranaka mifandimby. Averina sy hamafisina ny famakian-teny, satria, tanora malagasy maro be, ankehitriny, no tsy mahay mamaky teny malagasy. Hatevenina ihany koa ny fianarana ireo fomba amam-panao. Hampitomboina ny ora ianarana ny taranja malagasy.
Raha mbola be ny fisalasalana. Tsy hivelatra ny zavakanto sy ny kolontsaina malagasy. Maro ireo manan-talenta, saingy, mijanona ho azy ireny izany. Antony iray mahatonga ny fisalasalana, ny fitazanana ny hoavin’ny tontolon’ny zavakanto, toa manjavozavo be ihany. Marihina, anefa, fa any ivelany, indrindra ao Erôpa, efa zary indostria lehibe ny misahana ny kolontsaina sy ny zavakanto… Iray amin’ireo itrandrahan-dry zareo ny vokatra hoentiny amidy i Madagasikara.
Manana ny maha izy azy ? Hatramin’izao, tsy mbola voafaritra ihany io «maha izy azy io» raha eo amin’ny kolontsaina malagasy. Maro loatra mantsy ny manafangaro zavatra, hany ka tsy tazana ilay «fototra». Io, anefa, no tokony ho «maha izy azy». Firy amin’ ny mpanakanto eto Madagasikara, ohatra, no manana ny fototra nijoroany ka mahatazona izany ao anatin’ny taona maro ?




