Viseo Moto Show : Hanolotra vokatra maro sy fihenam-bidy lehibe

Mihazakazaka ny tsenan’ ny fiara elektrika eto Mada­gasikara. Tao anatin’ny roa taona, ny Océan Trade sy ny Continental Auto, ao amin’ny Groupe Viseo, no nitondra marika fiara elektrika maro sy be indrindra. «Fiara elektrika 15 no natolotra ny mpanjifa tao anatin’ny iray volana sy tapany», hoy ny tomponandraikitra ara-barotra ao amin’ ny Océan Trade, Rakoto­hasimbola Thierry, omaly, teny Andraharo, nandritra ny fampahafantarana ny hetsika «Viseo Motor Show». Miditra amin’ny andiany faharoa ny «Viseo Motor Show» amin’ity taona 2025 ity. Hotontosaina ao amin’ny Galaxy Village Andraharo, ny 4 hatramin’ny 12 oktobra. Hisokatra ho an’ny rehetra, mpanjifa sy tsy mbola mpanjifa. Tanjon’ny Vondrona ny hampahafantatra ny vokatra sy hanolotra fihenam-bidy goavana. Tsy fiara ihany no ho hita fa ao koa ny kojakoja momba ny fiara, ny fitaovana maro isan-karazany, eny fa na hatramin’ny fitaovana ilaina amin’ny fanorenana aza, sy ny angovo azo avy amin’ny masoandro. «Manomboka amin’ny 10 % ny fihenam-bidy ary misy safidy fanamorana ny fividianana», hoy hatrany ny mpikarakara.

Fanomezana lehibe
Nanamafy Rakotohasim­bola Thierry fa «Mividy fiara elektrika telo dia mahazo iray maimaimpoana ny mpanjifa». Hisy tombola lehibe ihany koa rehefa hifarana ny hetsika. Hampiseho fiara vaovao sy vokatra tsy mbola hita hatramin’izay ny “Viseo Motor Show”. Hetsika goavana, hoy ny mpikarakara, satria tsy hoe varotra ihany no tanjona fa fampahafantarana ny fomba fijery vaovao momba ny fivezivezena sy ny teknolojia eto Madagasikara ihany koa.

Henintsoa

Partager sur: