« Festival Ant’sary doc Mada »: Handray ny hetsika i Bemasoandro

Tsy ho an’Antananarivo ihany. Hivelatra ho an’ny mponina eny Bemasoandro ny « Festival An’Tsary Doc Mada », andiany fahatelo, izay hanomboka rahampitso. Hato­kana ho an’ny horonantsary fanadihadiana, izay foronina kanefa mifototra amin’ny lohahevitra misy sy iainana ny « Festival An’Tsary Doc Mada ». Nampahafantarin’ny mpikarakara, omaly, ny andinindininy momba izany, tetsy amin’ny IFM Analakely. Fan­tatra fa ao amin’ity ivokolo ity no halefa ny ankamaroan’ireo vokatra ireo.
« Hoentina hivoaka ny renivohitra, mba ho fantatry ny rehetra, ny karazana horonantsary misy. Nosafidiana i Bemasoandro amin’ity, hanehoana ireo karazany, sy ny teknolojia ampiasaina ary hatao ankalamanjana izany. Hisy atrikasa koa hampianatra na ireo tanora liana amin’ny fanoratana sy fanatontoloana horonantsary mandritra iza­ny », hoy ny nambaran’ny mpikarakara.
Horonantsary 24 nosafidiana hifaninanana amin’ity. 13 horonantsary fohy, 8 horonantsary lava, 4 amin’ireo ny sangasana malagasy. Eo koa ny tsy anaty fifaninanana, toa ny « Il était une fois », an’i Nantenaina Lova.
« Horonantsary tsara, men­drika, tafiditra anatin’ny lohahevitra miresaka ny olombelona, ny tontolo iainana, ny tadidy, sns. » Ireo no masontsivana nisafidianana ireo horonantsary, raha ny nambaran’ny mpikarakara hatrany.

Zo ny Aina

Partager sur: