Fitantanam-panjakana : Miantoka ny fitandroana ny filaminam-bahoaka ny governemanta

Ankoatra ny fampandehanan-draharaham-panjakana, miantoka ny fiarovana ivelany amin’ny alalan’ny diplaomasia sy ny fiarovana ny lafintany ny governemanta. Eo koa ny fiantohana ny filaminana anatiny sy ny fitandroana ny filaminam-bahoaka. Andrana famakafakana…

Ny teny hoe governemanta dia niseho ta­min’ny taonjato faha-XII, avy amin’ny matoanteny latinina ary mifandray na nindramina avy amin’ny teny grika fahiny hoe “mamily, mi­tazona ny familiana”. Ampia­saina amin’ny fiteny amin’ny fitsarana sy siansa politika izay misy dikany samihafa koa ny hoe governemanta. Amin’ny heviny mivelatra kokoa: vondron’olona na andrimpanjakana manana fahefana politika ny governemanta. Mihazona ny fitondrana ny fanjakana na ny firenena iray. Amin’ny ankapobeny, manondro ny rafitra politika mampiasa ny fahefana mpanatanteraky ny fanjakana ny governemanta, izay ahitana minisitra sy sekreteram-panjakana. Ireo karazana fitondran-pitantanana samihafa ny hoe fitondrana politika.
Amin’ny demokrasia maoderina, manavaka ny fitondrana parlemantera izay tomponandraikitra politika amin’ny parlemanta ny governemanta. Amin’ny fitondrana filohan’ny Repoblika no matanjaka sy manana fahefana kokoa eo amin’ny fitantanam-panjakana ny governemanta. Ny governemanta no manapa-kevitra sy manao ny hetsika ilaina amin’ny fitantanana ny fanjakana.

Governemanta
ivangongoam-pahefana

Eo amin’ny sehatry ny firafitry ny governemanta, ma­nondro ny fifantohana na ny fivangongoan’ny fahefana mandray fanapahan-kevitra eo amin’ny ambaratonga afovoan’ny fitantanana ny fanjakana foibe na fanjakana tokana. Amin’ny governemanta tokana, ambony ny ambaratongan’ny fanjakana foibe: ny governemanta foibe no mitana ny ankamaroan’ny fahefana mpanao lalàna na didy sy ara-pitantanana ary ara-bola. Miasa voalohany amin’ny maha solontenan’ny go­vernemanta foibe azy kosa
ny manampahefana eo an-toerana sy isam-paritra eny ifotony, tsy manana fizakan-tena. Mampiroborobo ny fitoviana sy ny fitambarana
amin’ny fampiharana ny politika manerana ny tanin’ny firenena iray manontolo io rafitra io. Saingy mety hisy fetrany amin’ny fandraisana andraikitra amin’ny zavatra manokana sy ny filana eo an-toerana izay.

Hafa ny rafitra federaly

Mifanohitra amin’izay go­vernemanta ivangongoam-pahefana izay ny ao amin’ny rafitra federaly na fanjakana federaly. Ohatra: tsy voamarika loatra ny fametrahana fanjakana foibe, miaraka amin’ny fahefana ifampizarana eo amin’ny governemanta foibe sy ny governemantan’ny fizaran-tany toy ny fanjakana na faritra. Manana fahaleovantena lehibe ny governemantan’ny fizaran-tany, miaraka amin’ny fahefana sy andraikitra voafaritra mazava amin’ny lalàmpanorenana. Mamela ny fampifanarahana tsara kokoa ny politika amin’ny toe-javatra eo an-toerana io rafitra io, na mety hitarika amin’ny tsy fitovian-kevitra sy ny fifanosohana andraikitra mitovy amin’ny biraon’ny governemanta aza izany.

Manana ny asany manokana ny governemanta

Manatanteraka ny sasany amin’ireo andraikitry ny fanjakana ny governemanta. Amin’ ny ankapobeny, miantoka ny fiarovana ivelany amin’ny alalan’ny diplaomasia sy ny fiarovana ny lafintany. Eo koa ny fiantohana ny filaminana anatiny sy ny fitandroana ny fi­laminam-bahoaka, indrindra amin’ny alalan’ny mpitandro filaminana. Manampy amin’ny famaritana ny lalàna sy ny politika momba ny heloka bevava koa ny governemanta; mitana ny fiandrianam-pirenena amin’ny alalan’ny famoahana vola, indrindra amin’ny alalan’ny banky foibe; mandoa hetra sy mitantana ny tetibolam-panjakana.

Manamarina hatrany ny maha ara-dalàna azy ny governemanta

Vokatry ny maha ara-dalàna ny endriky ny governemanta sy ny maha ara-dalàna azy ao anatin’izay endrika governemanta izay ny maha ara-dalàna ny governemanta. Mba hampiharana ny fahefany tsy hihaonany na hifandonany amin’ny fanoherana. Ara-tantara, nitady hanamarina ny maha ara-dalàna azy hatrany ny fahefana ara-politika. Izany dia azo ary mifototra amin’ny fomba amam-panao sy lova: toy ny tamin’ny fitondrana nentim-paharazana, ohatra, ny mpanjaka ary ny rafitra aristokratika, ny sitra­pon’Andriamanitra toy ny amin’ny teokrasia: fanjakan’ny mpanjaka, izany hoe, avy amin’Andriamanitra. Eo koa ny hoe fanehoana ny zon’ny vahoaka sy ny isam-batan’olona na ny hoe fiandrianam-pirenena. Mitranga izany
amin’ny demokrasia, nefa ny fitondrana tsy refesi-mandidy koa milaza fa fehezin’ny safidim-bahoaka: fitondrana fa­sista sasany, ohatra. Misy koa ny petra-kevitra notarihin’ny fitondrana tarihin’ny “olon-kendry”. Toy ny amin’ny fahefana sasany eo an-toerana na foko, ohatra. Ny fanjakany vitsy anisa (oligarchie) tsara fivelomana na tambohitra (bourgeois) amin’ny hoe fifidianana sahaza na teknisianina, sns.

Misy ny lamina amin’ny fisaraham-pahefana

Na eo aza izany rehetra izany, voalamina ho andrimpanjakana misaraka mandrafitra ny sampana ny governemanta, izay samy manana fahefana sy andraikitra ary adidy manokana. Tsy mitovy ny fitsinjarana ny fahefana eo amin’ireo andrimpanjakana ireo, toy izany koa ny asa sy ny isan’ny sampana. Ny fitsinjaram-pahefana mahaleo tena sy mifanindran-dalana eo amin’ireo sampandraharaham-panjakana dia ny fisaraham-pahefana. Matetika voalamina ho sampana telo manana fahefana miavaka ny governemanta na ny fanjakana ankapobeny: ny fahefana mpanao lalàna sy ny fahefana mpanatanteraka ary ny fahefana fitsarana. Na izany aza, amin’ny rafitra parlemantera sy “semi-présidentiel” matetika mifanipaka ny sampan’ny governemanta, mizara mpikambana ary mifanipaka ny asany. Fitondram-panjakana maro no manana sampana vitsy kokoa na sampana fanampiny, toy ny vaomiera mahaleo tena misahana ny fifidianana, ohatra, na ny rafitra iadiana amin’ny kolikoly…

Nanatontosa :
R. Nd.

Partager sur: