Nambaran’ny governora an’Analamanga, Rasoamaromaka Hery, tetsy Ambohidahy, omaly, fa tsy mendrika ny hasiana korontana intsony eto Madagasikara. Nohamafisiny hatrany fa tsy mety ho an’ny Malagasy intsony izany, indrindra ny resaka fanimbana fananan’olona. «Manoloana ireny resaka anaty tambajotran-tserasera ireny, amiko manokana dia tsy mety amintsika intsony ny manimba fananan’olona izany», hoy ny governora.
Miantso ny vahoaka ho tony izy, ary raha ny filazany dia tsy misy tsy vitan’ny fifampiresahana. Efa hita amin’
izao fotoana izao fa efa manao ny ezaka rehetra ny fitondram-panjakana, mitady vahaolana amin’io raharaha io.
Manentana ny vahoaka kosa ity mpandrindra ny faritra Analamanga ity, mba tsy hanaiky ho rangitin’ny olona amin’ny zava-misy tahaka izao, ary tsy hanaiky hatao fitaovana politika.
Nomarihin-dRasoamaromaka Hery fa ny fifampiresahana hatao tsy midika hoe fiaraha-mitantana. « Tsy fiaraha-mitantana ny dikan’ny hoe andao hiresaka fa hoe :aleo mifanakalo hevitra entina miala amin’ilay olana, ary hitady vahaolana.» hoy hatrany izy.
Ankoatra izay, miantso ny tomponandraikitra voakasika amin’ity raharaha jiro sy rano ity ny governora an’Analamanga, mba handray andraikitra sy fepetra entitra ho an’ireo olona tsy manatanteraka ny baiko.
F.R




