Nanao fanambarana miaraka ireo loholona manoloana ny toe-draharaha misy eto amin’ny firenena ankehitriny. Tsipahin’izy ireo ny hetsika hotanterahina, anio eny Ambohijatovo.
«Manameloka ny fikotrehana korontana amin’ny fomba rehetra ataon’ny mpanohitra ka hitadiavana hanaovana sorona ny vahoaka sy ny firenena izahay», hoy izy ireo. Nohelohin’izy ireo koa ny fandranitana fankahalana sy adim-poko, fiantsoana herisetra, fandoroana trano sy fananana ary fanindrahindrana fampirisihana famonoana mivantana mihitsy aza, atao amin’ireo tsy mitovy hevitra amin’ny antoko mpanohitra ankehitriny. Nanterin’ireto loholona ireto fa tsy fitadiavam-bahaolana velively no tadiavin’ny mpanohitra atao. Fitadiavan-tseza sy tombontsoa manokana amin’ny fikotrehana fanonganam-panjakana ka handrombahana fahefana ivelan’ny fifidianana, araka ny fanambarana hatrany.
Notsindrin’izy ireo fa efa hita soritra mazava ny vahaolana aroson’ny fitondram-panjakana. «Lainga sy fandrebirebena vahoaka raha heverina fa ny korontana sy ny herisetra no hitondra mankany amin’ny vahaolana ho an’ny fahatapahan-jiro lava sy ny olan’ny rano. Vao mainka fampidirina ny firenena anaty krizy lalina ny fikasana fanimbana sy fanapotehana ary fanonganam-panjakana izany», hoy izy ireo. Tsy takona afenina intsony fa abaribarin’ny mpanohitra ankehitriny izany, araka ny fanambarana
hatrany.
Niantso fitoniana ireo loholona
Manoloana izany, miantso ny rehetra ho tony ka tsy ho tafiditra anatin’ny fandriky ny fihantsiana sy ny tsaho sy lainga afafy handranitana fankahalana ireo loholona.
Niantso ny tomponandraikitra voakasika koa izy ireo mba hanafaingana ny asa rehetra hahatongavan’ny vahaolana maharitra momba ny famatsiana jiro sy rano ho an’ny vahoaka. Tsapa ary iaraha-miaina ny fahasahiranana goavana aterak’izany olana izany, araka ny nambaran’izy ireo.
Etsy andaniny, niantso ny tomponandraikitry ny filaminana rehetra, na sivily na miaramila, mba hampanjaka ny ara-dalàna ahafahan’ny vahoaka miaina anaty filaminana sy fitoniana ireto loholona ireto.
Synèse R.




