Namoaka fanambarana manoloana ny «Hetsika 25 septambra», anio, ny eo anivon’ny masoivoho frantsay. Niantso ireo terataniny rehetra mba hisoroka araka izay azo atao mba tsy hivezivezy eny amin’iny faritra Ambohijatovo sy ny manodidina iny, ho an’ny anio, manoloana izany fihetsiketsehana hiseho izany, ny fanambarana. Nanentana ireo teratany frantsay koa ny eo anivon’ny masoivoho mba tsy hanakaiky ireo toerana rehetra mety ahitana fivorian’ny vahoaka. «Aoka isika mba samy hanaraka hatrany ny toromarika omena», hoy hatrany ny fanambarana.
Tsiahivina fa efa fanaon’ireo masoivoho miasa sy monina eto amintsika ny fiantsoana ny terataniny ho mailo tahaka izao rehefa misy ny fihetsiketsehana an-dalambe eto Madagasikara.
Synèse R.




