Mahaiza misafidy

 

Migadona ny andro izay voalaza fa hisian’ny fitakiana goavam-be iarahan’ny olona milaza fa leo delestazy sy fahatapahan-drano. Inona tokoa re no hiseho? Raha ny tambajotran-tserasera izany aloha dia hoe toa ” baomba be” ilay izy. Tena mientanentana ery izato tanora sy ny mpilaravinahitra mandrehitra afo. Mampanahy ny zava-misy ka mila fitandremana mafy dia mafy. Na ny masoivoho vahiny aza efa mipetrapetraka any an-tranony hatry ny halina. Efa nentanina tsy hivezivezy eny an-dalambe intsony ny olony.
Toa mainka mandrehitra ny afo koa ny fikoropahan’ny tandapa. Tsy nahafehy ny serasera araka ny tokony ho izy. Misy ireo izay mikiry manao didin’ny be sandry. Manolo-bato mafana sy zatra amboletra. Manao didin-kofe lehibe tsy mandinika hodidina. Sanatrian-dresaka izy ireo ihany no atidoha mikotrika tranga hafahafa. Mikopaka ny afom-pankahalana hidedaka. Misy aza dia sahy miady an-tsena ankitsirano ho fiarovan-tenany sy famandrihana ny mpiara-dalana aminy.
Manoloana izany rehetra izany anefa no ifampizarana. Mahaiza misafidy ny vahoaka malagasy. Aza dia mijabajaba amin’ny fita-bitro sy ny fampihinanana am-bolony. Aza roboka amin’ny tsy fahaiza-miresak’izatsy na izaroa. Mahaiza mamakafaka amin’ny hasiana ny tongotra.
Tsy ataon’ny mpilalao politika maloto ho fitaovana na inona na inona firehana. Tsy mendrika ny ho sasa-miarina ny valala tsy mandady harona. Mila fitoniana sy filaminana anatin’ny fanajana ny zon’ny isam-batan’olona.
Na iza na iza tsy misy afaka ny mitompo teny fantatra amin’ny hisiana na tsy hisian’ny korontana, anio. Ny azo antoka, tsy misy na iray aza angamba hitia faharavana na fanimbana izany. Matoa mitaky fanovana dia te hahazo raha manjary kokoa. Matoa koa mikiribiby hifikitra amin’ny toerana dia manam-piniavana ny hanohy fampandrosoana izay. Koa asakasak’ireo hamadika ny tanindrazana sy ny vahoaka ao aminy. Ny andrasana izao dia ny vahaolona mipaka amin’ny sarambabem-bahoaka.

r.r

Partager sur: