TARATRY ny KANTO

Hiditra ao anatin’ny andiany faha-2 ny « Bir’Art Festival ». Hetsika kolontsaina an-tanàn-dehibe tanterahina ao Antsirabe, renivohitr’i Vakinankaratra. Ireo zavakanto fahita eny an-tanàn-dehibe no handrafitra ny fandaharam-potoana ny 26 septambra sy ny 27 septambra izao. Anisan’izany ny « parkour », « fresque murale », « danse », « percussions » ary ny « slam ». Ankoatra ireo mpanakanto avy eto an-toerana, ho tonga any Antsirabe hanafana ny sehatra i Mo Armen 974, avy any amin’ny Nosy La Réunion. Eo amin’ny Place de la culture, ny 26 septambra, manomboka amin’ny 4 ora sy sasany. Ao amin’ny Alliance Française kosa ny 27 septambra, manomboka amin’ny 1 ora sy sasany.
Avy any Mahajanga… Ho any Amparafaravola Ambatondrazaka indray ny tarika Zook Davids ny sabotsy 27 septambra izao. Hanatanteraka seho ao amin’ny Fiangonana METM Ampahitany izy ireo. Hanomboka amin’ny 2 ora sy sasany. Fampisehoana, fanentanana ny ankizy sy ny tanora hifaka amin’ny fahalalana an’Andriamanitra. Marihina fa anisan’ny mampiavaka ity tarika ity ny fananana ireo hira sy rindran-tsehatra ary fihetsika mifandraika amin’ny fanabeazana.
Manana ny maha izy azy, hono, ny kolontsaina malagasy? Hatramin’izao, anefa, tsy mbola hita taratra any amin’ireo mpanakanto miangaly azy ny vokatr’io fananana ny maha izy azy io. Maro ireo tarika tsy mandingana taona vitsy dia rava. Tsy vitsy ireo tarika, sasatra ny miova ny zavatra atao, satria, mora kitihin’ny vanim-potoana… Mbola mila faharesen-dahatra goavana ny tontolon’ny kanto malagasy ka hifototra amin’ny fanahy.

Partager sur: