FANTINA sy FINTINA

Nanao fanambarana fanamelohana ny nandrobana ny tranon’ny filoha nasionalin’ny Free­dom, i Lalatiana Rakotondrazafy, ny eo anivon’ity antoko ity. Nambaran’izy ireo fa fialokalofana ihany ilay fitakiana jiro sy rano. « Fambolena korontana efa voaomana hatry ny ela sy hanonganana ny fanjakana ireny », hoy izy ireo.

Nankasitraka ny tanora Gen Z rehetra ny mpitarika azy ireo naneho fahendrena na norarafana baomba mandatsa-dranomaso aza. Melohin’izy ireo ny fampisan-kery manoloana ny Gen Z, tsy nitondra fitaovam-piadiana. « Misaina avokoa ny Gen Z ka tsy handeha handroba na hanimba fananan’olona ary horaisinay an-tanàna ireo rava fananana sy maratra rehetra », hoy izy ireo.

Manameloka ny herisetra mihatra amin’ny mpanao gazety ny tambajotran’ny mpanao gazety Malina. Manohana tanteraka ireo mpanao gazety manao ny asany eny an-kianja ary miantso ny manampahefana sy ny mpitandro filaminana hanaja ny fahalalahan’izy ireo manao ny asany. « Takinay ny hanokafana fanadihadiana sy fandraisana fepetra hentitra ho an’ireo nahavanon-doza nanao herisetra tamin’ny mpanao gazety », hoy izy ireo.

Partager sur: