Noho ny toe-draharaha: Hetsika ara-kolontsaina maro no foana

Eo no ho eo ny fiantraikany! Ny hetsika ara-javakanto sy kolontsaina sy ny fizahantany no lasibatra voalohany vao misy savorovoro eto amin’ ny firenena. Vao nitranga ny savorovoro, omaly, dia maro ireo mpikarakara nanao fa­nambarana avy hatrany fa foana na hahemotra amin’ny fotoana mahamety azy ny he­tsika. Anisan’izany ny antsan-tononkalo « Antso Laitra », fi­karakaran’ny Faribolana San­dratra, izay saika hatao ny sabotsy izao, etsy amin’ny CGM Analakely. « Natao izao filazana izao mba tsy handiso fanantenana ireo mpankafy haisoratra », hoy ny fanambarana navoakan’ny Faribolana Sandratra, omaly.
Efa nanao fanambarana ny alarobia teo fa hikatona ny IFM Analakely, omaly. Hitohy anio sy amin’ity faran’ny herinandro ity izany. Voakasik’ izany ny hetsika “An’Tsary Doc Festival Mada”, izay to­kony hisy fandefasana horonanantsary ao amin’ny IFM, anio sy rahampitso. Raha sanatria ka miitatra ny savorovoro, mety ho foanana koa ity hetsika iraisam-pirenena ity. Hisy vahiny andrasana anefa, ary efa niroso ny hetsika izay nisokatra omaly.
Ireo ivokolo vahiny no nandray ny fepetra voalohany, fa ahina hiitatra amin’ny toerana fandraisana hetsika ara-ko­lontsaina rehetra izany. Ahina indrindra indrindra ny fandraràna ny famoriam-bahoaka taorian’ny zava-nitranga, ka tsy afa-bela amin’izany ny fam­pisehoana isan-karazany.

Zo ny Aina

Partager sur: