FFKM : “Mitaona ny rehetra hifampiresaka”

“Mitaona ny rehetra ny FFKM hifanatona, hifamela heloka hirosoana amin’ny fifampiresahana ho fitadiavam-bahaolana maharitra sy haingana, hitondra amin’ny fihavanana sy ny fandrosoana hisitrahan’ny vahoaka rehetra ny zo fototra tokony ho azy, toy ny jiro, rano, fitoniana, fihariana, filaminana, fandriampahalemana…”. ”Iza amin’ny raim-pianakaviana angatahan-janany trondro ka tsy hanome azy trondro fa bibilava” (Lioka 11: 11)”. Io ny fanambaran’ny FFKM, notarihin’ny solontenan’ny Ekar, filohan’ny FFKM, Mgr Raoe­lison Jean de Dieu, teny An­dohalo, omaly, manoloana ny toe-draharaham-pirenena.
Antso ho an’ny Fiango­nana ny miaraka amin’ireo iharan’ny tsy rariny ary ijoroany izany. Mitaona ny rehetra ny FFKM mba hampitsahatra ny fifandatsahan-dra, ny fifandrafiana, ny fanimbana fotodrafitrasa sy ny fandrobana fananan’olona amin’ny endriny maro samihafa; ny fifampihantsiana amin’ny teny aloaky ny vava sy ny fihetsika atao. Aoka samy hitandro ny fandriampahalemana; hahay hi­fampihaino ao anaty fifanajana ny mpitondra sy ny vahoaka, ny ray aman-dreny sy ny tanora ary ao anatin’ny fahatahorana an’Andriamanitra no hanaovana izany
Ireo izay nandroba, aoka hamerina ireo fananana azo tamin’ny halatra fa tsy mahasoa anareo izany. Aoka isika haneho firaisankina, hikajy mandrakariva ny soa iombonana ary hanana fo antra sy onena tahaka an’i Jesoa, manoloana ny fahoriana sy ny fijaliana mianjady amin’ny hafa. Ny fanekena hiverina amin’Andriamanitra ihany no hany vahaolana tokana ho an’ny firenentsika ao anatin’ny fieken-keloka sy fibebahana izay hitondra any amin’ny fahamarinana sy ny fihavanana (4F) satria ”Ny fahamarinana manandratra avo ny firenena” (Oh 14:34)

R. Nd.

Partager sur: