Filoha Rajoelina Andry: Nesoriny ny minisitry ny Angovo

Nanao fanambarana tao amin’ny fahitalavi-pirenena, halina, ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry. Nandritra izany no nanesorana ny minisitry ny Angovo sy ny Akoranafo, Olivier Jean-Baptiste.

Nivoaka tamin’ny fahanginany ny filoham-pirenena malagasy, Rajoelina Andry, halina. Nesoriny tamin’ny toerany ny minisitry ny Angovo sy ny akoranafo, Oli­vier Jean-Baptiste, izay nambarany fa tsy nahavita ny an­draikiny. Ankoatra izay, nambarany fa « tsy vahaolana ny fampisaraham-bazana sy ny fankahalana. Mitarika fahapotehana ny fifandonana ary tsy misy manana tombontsoa amin’izany mihitsy isika ankoatra ireo tsy mijery afa-tsy ny tombontsoany manokana… Melo­hiko tanteraka ny fanimbana », hoy izy. Nohelohiny an-kitsirano tanteraka koa ny hetsika niteraka fandrobana ary ny fanimbana fananan’olona sy orinasa maro. Manameloka ny fihetsika fanimbana sy ny fahapotehana tiana hapetraka eto amin’ny firenena ny tenany, araka ny nambarany hatrany. Na izany aza, nampanantena ny filoha Rajoelina Andry fa afaka manarina isika, ary afaka manangana ihany koa.
Nirary fahasalamana feno ho an’ireo naratra ny Filoham-pirenena ary niantso sy nanentana ny Malagasy rehetra ho tony manoloana izao toe-draharaham-pirenena izao.

Tsiahivina fa tsy mifanalavitra amin’izany ny lahatenin’ny filoha Rajoelina Andry tamin’ny fivorian’ny Firenena mikambana (ONU), tany New York, tamin’ity herinandro ity. Nian­tso fandriampahalemana sy fitoniana maneran-tany ny tenany. « Tsy vahaolana ny fi­zarazarana ary tsy mitondra fitoniana ny fifandonana », hoy izy. Nentaniny tamin’ny lahateniny koa ireo filoham-panjakana sy lehiben’ny governemanta, niatrika io fivoriana faha-80 eo anivon’ny ONU io mba handala mandrakariva ny fandriampahalemana maneran-tany sy ny fampitsaharana ireo ady eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena.

Synèse R.

Partager sur: